FFKM – Miantso ny rehetra hifanatona sy hifanolo-kevitra, ary hifampiresaka

Nangonin’i Stefa

Miantso ny rehetra hifanatona sy hifanolo-kevitra ary hifampireska ny FFKM (Fimobona’ny Fiangonana Kristiana eto Madagasikara), nisy fanambarana nataon’izy ireo momba izany:

“Manoloana ny toe-java-misy ankehitriny : ny disadisam-piainana isan’andro miseho etsy sy eroa izay tsy ahitam-bahaolana. Ny tsy fandriampahalemana mivantana sy volena an-kolaka.

Ny fiakaran’ny vidim-piainana lavareny hatramin’ny fiandohan’ny taona 2022.
Ampian’ny fiakaran’ny vidin-tsolika.

Ny filoham-piangonana 4 mirahalahy miombona ato amin’ny FFKM dia manao izao fanambarana izao ho fanairana :

Tsy mitazam-potsiny akory ny Tompo, fa mandre ny antsoantsontsika, ary matokia azy, fa Mpamonjy mahavonjy antsika ao anatin’ny fahoriana rehetra, sy ny adim-piainana, ary ny olana samihafa izy, na amin’ny sondrobidim-piainana, na amin’ny tsy fahasalamana, na amin’ny tsy fandriampahalemana. Ka aoka hatoky ny Tompo isika, izay mpanome fiadanana ao anatin’ny fahasarotana rehetra. Mbola mangataka anareo anefa izahay FFKM hijery vahaolana mahomby amin’ny fiahiana ny andavanandrom-piainan’ny vahoaka.

Hampihena ireto fandaniana sy hetsika izay tsy mitondra vokatsoa, fa mba hampiroborobo ny vokatra eto an-toerana, sy ny fitrandrahana ireo harena an-kibon’ny tany, sy hanamora ny fivezivezen’ny tsenam-bokatra, hahafahan’ny malagasy rehetra misitraka feno izany rehetra izany.

Koa antsoina ny rehetra, na ianareo ao amin’ny fitondrana, na ianareo rehetra izay tsy ao anatiny, isika vahoaka rehetra mahatsiaro ho manana andraikitra, sy manan-kevitra amin’ny famahana ny olam-bahoaka, mba hifanatona sy hifanolo-kevitra, ary hifampiresaka ao anatin’ny fihavanana. Hiara-mientana ho famahana izao olam-piainana, izay mampikaikaika ny valalabemandry izao, ka hiara-hiezaka hikatsaka ny soa iombonana hoan’ny vahoaka malagasy. Homba sy hitahy anareo mandrakariva anie ny Tompo.”