Andry Tsiavalona
Nahagaga ihany ny nahita tao amin’ny gazety iray mpiseho isan-kerinandro, izay nanao matohan-dahatsoratra nilaza fa ny Filoha Ravalomanana Marc, no namotika ny toekarena sy ny demokrasia eto Madagasikara. Asa raha mahafantatra ny tena hevitry ny voambolana « demokrasia » ny mpanoratra, satria teny vahiny nadika izy io. Angamba tsy mahay ny singa manodidina ny toekarena ihany koa ny mpanao gazety nanoratra izany.
Raha hiresaka demokrasia dia tsy tamin’ny fitondrana tetezamita velively no nanjaka teto izany, satria tsy afaka naneho hevitra ny tsy nankatoa izany fitondrana izany. Porofon’izany ny nanipazana baomba mandatsa-dranomaso ny Filoha teo aloha Zafy Albert teny Anosy. Tsy demokrasia no nanakatonana ny Kianjan’Ambohijatovo, rehefa teo no naneho ny heviny ireo nanohitra ny fanakanana ny famerenana ny Filoha Ravalomanana Marc teto an-tanindrazana, satria olompirenena manana zo feno niverina teto izy. Ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, anefa no nitokana io Kianja io ho « Kianjan’ny Demokrasia », nialohan’ny nanonganany ny Filoha Ravalomanana Marc. Nolatsahana baomba manatsa-dranomaso ihany koa ireo nitaky izany fiverenan-dRavalomanana Marc izany tao amin’ny Kianjan’ny Magro, Behoririka. Nisy ireo naiditra am-ponja teny Tsiafahy tamin’ny Repoblika III-2, tsy noho ny antony ara-politika, satria “délit des droits communs” (taratasim-bola tsy misy antoka, sns,…) no vesatra niampangana ny sasany.
Raha tsy nisy demokrasia teto nialohan’ny fanonganam-panjakana dia tsy afaka nigalabona teo Ambohijatovo Rajoelina Andry sy ny mpanohana azy tamin’ny taona 2009. Tsy ho tafiditra teo amin’ny Kianjan’ny 13 Mey ihany koa ireo. Tsy fahafahana maneho hevitra ihany no azo ilazana fa manjaka ny demokrasia, satria ny hetsika rehetra eo amin’ny fitantanana ny Firenena dia iaraha-manapaka (consensuel) avokoa kanefa tsy nisy izany tamin’ny tetezamita izany, fa nitondra baolina sy nanapa-kevitra irery Rajoelina Andry sy ny ekipany.
Raha tiana handroso ny Firenena dia eo ny fahendrena Malagasy mampianatra fa « ny hevitry ny maro mahataka-davitra». Ambonin’izany dia ny vahoaka no tompon’ny fahefana, ka rehefa misy fanapahan-kevitra raisina mifanohitra amin’ny tombontsoany dia afaka maneho izany amin’ny fotoana sy toerana mety aminy. Iaraha-mahita ny hetsi-bahoaka any amin’ireo firenena mandala izany demokrasia izany. Raha tsy nanaja ny demokrasia ny Filoha Ravalomanana Marc dia nomeny ny “garde présidentielle” (GP) ny nandrava ny hetsika rehetra notarihan-dRajoelina Andry tamin’ny taona 2009. Fanajana ny lalàna ihany koa ny demokrasia, ka raha tsy nandala izany Ravalomanana Marc dia tsy nanaiky ny didy navoakan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenena, fa nitaona ny vahaoka nanohitra izany noho ny tsy fanarahan-dalàna nisy nandritra ny fifidianana farany. Tsy izay ihany no azo lazaina raha ny demokrasia no resahina kanefa ampy ireo aloha.
Raha ny resaka toekarena indray dia ho porofoina fa tsy namotika ny toekarena ny fitondrana Ravalomanana Marc. Naely teto amin’ny Firenena fa nanao ampihimamba ny Filoha Ravalomanana Marc ary nampifangaro ny fitantanana ny orinasany sy ny fitantanana ny firenena. Ny marina dia raha tsy izy no nanangona ny vokabary tany Alaotra ohatra dia ny mpijirika no nametra ny vidin’izany toy izay niainan’ny tantsaha talohan’izany. Ny tahan’ny harinkarena dia 7,2% tamin’ny taona 2008 teto amin’ny Firenena, ka tsy potika izany ny toekarena tamin’ny fitondrana Ravalomanana Marc, fa niroborobo fatratra.
Tamin’ny taona 2021 dia niiba 7% ny tahan’ny harikarena. Tsy nikaikaika toy izao noho ny fidangan’ny vidim-piainana misy ankehitriny teto Madagasikara, satria variana manangana fotodrafitrasa tsy miteraka fampandrosoana ny mpitondra ankehitriny. Tsy misy tsy mahalala fa ny làlana no ahazoan’ny vokatra mifamezivezy, izay midika ho manome hery ny fifanakalozana ara-bola. Niroborobo avokoa ireo orinasam-pirenena tamin’ny fitondrana Ravalomanana Marc: Air mad, Jirama, Fanalamanga, Sirama, Secren, sns,… Aiza ireo orinasa ireo amin’izao fitondrana Rajoelina izao ?
Potika tanteraka ka na voaroaka ny mpiasa na tsy voaloa ny karamany. Anisan’ny taratry ny fahapotehan’ny toekarena izany, ka izao fitondrana izao no tomponandraiktra amin’izany, satria voahodinkodina any amin’ny tsy alehany ny vola tokony hanarenana ireo orinasa ireo, satria bizina no manjaka ao amin’izao fitondrana izao. Potehina ihany koa ny mpitatitra satria hirika iray hahazoan’ny fitondrana Rajoelina Andry hanaovana bizina indray ity sehatra ity. Miverin-dàlana ny kôperativan’ny fitaterana, ka maro ny mamerina ny saran-dàlana ho eninjato ariary satria “aleo tokoa, angamba, mihinan-kely toy izay mandry fotsy” araka ny fitenenana.