Hetsika fanavotam-pirenena – Mitohy ny tolona, na misy aza ny herim-pamoretana hoy ny RMDM

Isambilo

Na tsy tontosa aza ny hetsika fanavotam-pirenena, saika natao ny sabotsy teo, teny amin’ny kianjan’ny Finoana Magro Behoririka, noho ny sakana nataon’ny herim-pamoretan’ny fitondrana Andry Rajoelina, hentitra ireo mpitarika ny RMDM: Rodoben’ny Mpanohitra ho an’ny Demokrasia eto Madagasikara, fa mitohy hatrany ny tolona, satria tena efa fadiranovana ny vahoaka Malagasy. Nitafa tamin’ny mpanao gazety tetsy Bel’Air omaly ireo mpitarika ny RMDM. Nambaran’izy ireo nandritra izany fa: ”MITOHY NY TOLONA …. MIANTSO HATRANY NY OLON-TSOTRA, FIKAMBANANA SY ANTOKO POLITIKA HAMONDRONA NY HERY. MIANTSO NY HCC HANDRAY ANDRAIKITRA HAINGANA AMIN’IZAO TSY FANARAHAN-DALANA MISY ETO AMIN’NY FIRENENA IZAO. AMPAHAFANTARINA AORIAN’NY FIVORIANA NY TOERANA SY NY ANDRO HANOHIZANA NY TOLONA HO FANAVOTAM-PIRENENA.”

Ankoatr’izany, fantatra fa niteraka tsy fahasalamana ho an’ny mpitarika ny RMDM Toliara Pasitera Edouard ny fifandroritany tamin’ny herim-pamoretan-dRajoelina ny sabotsy teo teny Behoririka. Raha niantso fifampiresahana ny mpitondra tenin’ny RMDM, Pasitera TSARAHAME Edouard dia tsy nanaiky izany ny mpitandro ny filaminana, fa ny fampiasana hery avy hatrany no nataon’izy ireo. Tojo tsy fahasalamana izy noho ny fifandroritana teo amin’ny mpitandro ny filaminana sy ny vahoaka izay niaro azy tsy ho samborina. Na izany aza, mijoro hatrany izy ary efa niatrika ny tafa tamin’ny mpanao gazety omaly, teny Bel’Air.