Ny Valosoa
Araka ny fanadihadiana natao, sy ny vaovao voaray teny amin’ny fonjan’Antanimora, ataon’ny mpitsabo ao fitadiavam-bola ny fitsaboana ny valanaretina coronavirus ao amin’ity fonja ity, sy ny fanomezana taratasy certificat medical. Ataon’ny dokotera fitadiavam-bola ny fisian’ny CTC ( centre de traitement Covid ) sy ny famoahana certificat médical. Ankoatr’ ilay administrateur civil izay nindaosin’ny fahafatesana dia vehivavy iray indray no namoy ny ainy ny 01 aogositra lasa teo noho ny fahataran’ny fitsaboana, noho ny tandrevaka. Betsaka ny olona maty eny aminy FONJAn’Antanimora ary fantatr’ ity mpitsabo ity ny mahazo ireo voafonja, saingy rehefa tsy misy vola dia tavela, maro ny fakam-bola noho ny resaka fitsaboana. Efa hatramin’ny ela hoy ny loharom-baovao no olana ho an’ny mpiandry FONJA ity dokotera ity satria na ny Chef d’établissements aza efa tsy asiany dikany intsony eo amin’ny resaka asa. Betsaka ny mitaraina mikasika ny fomba fiasany, fa mety ho manana olona ambony miaro azy izy matoa tsy misy fepetra raisina mihintsy hoy hatrany ny loharom-baovao hatreto.
Ny antony nanaovana ny CTC (Centre de traitement Covid) dia ny mba hahafahana mizaha ny toe pahasalaman’ilay olona mialohan’ny hampidirana azy. Tsy fonja akory ny CTC, fa trano fandalovana mandritra ny fizahana ara-pahasalamana. Rehefa hita misy soritra aretina ilay olona dia tazonina 5 hatramin 10 andro, fa rehefa tsy misy soritra aretina kosa dia ampidirina fonja avy hatrany.
Ny zava-misy anefa tazonin’ny dokotera mihoatra ny telo volana ao amin’ny CTC ireo olona ireo ary mandoa vola any aminy,misy aza ny mihoatra an’izay. Ho an’ireo izay tsy manambola kosa dia ampidirina avy hatrany na dia efa fantatra izao aza fa tsy salama.
Manodidina eo amin’ny 4 na 5 eo ireo olona izay efa tamin’ny volana Mey ary efa mahatratra 20 izany raha atambatra miaraka amin’ny volana jona sy jolay. 28 kosa no isan’ izy rehetra izay mbola tazonina ao amin’ny CTC ny herinandro lasa teo.
Ny hany ambetin-dresaka any rehefa misy ny fanontaniana dia ny hoe “misy intervention avy any ambony no antony mbola hitazonany ireo olona ireo ao”, misy ihany anefa no miresaka fa mandoa vola any amin’ny médecin chef no antony ahafahany mijanona ao. Misy ireo olona malotoloto tsy misy vola na dia hita izao fa marary aza dia tsy misy indrà fo, fa midoboka avy hatrany.
Misy havan’ny mpiara miasa amin’ny dokotera aza moa efa hitany izao fa tsy salama dia mbola sahiny ny miteny hoe “io tsy misy hoe havan’iza, fa rehefa tsy mandoa vola 5 millions dia miditra avy hatrany”, rehefa tsy nandoa ilay vola taminy dia nampidiriny.
Rehefa olona metimety aminy na mandoa vola dia tazonina ao amin’ny CTC.
Ho any resaka fahasalamana eny amin’ny fonja, maro amin’ireo olona no manatona ary mitaraina fa tsy salama, ka mila fizahana ara-pahasalamana, saingy ny valinteny azon ‘izy ireo avy amin’ny dokotera dia ny hoe: “izaho tsy manao consultation, fa raha haka certificat médical hampiasaina amin’ny fangatahana fahafahana vonjy maika dia 100.000 Ar”.
Vao tsy ela hoy hatrany ny loharom-baovao no nisy voafonja nakana vola 300.000 Ar nanaovana certificat médical natao complément de dossier tamina opposition teny amin’ny Fitsarana.
Ireo samy voafonja ihany no mifanampy amin’ny resaka fitsaboana, fa tsy misy dokotera ho tavandraina, eny fa na ny fanafody aza tsy misy ny ao, fa ny havan’ireo voafonja no mividy izany aty ivelany.
Manaitra ny ministera hijery akaiky ny zava-misy eny amin’ny Fonjan’Antanimora, na hanokatra fanadihadiana eo amin’ny mpiambina ny fonja na ihany koa eo amin’ireo voafonja, satria raha izao no mitohy dia mbola hitombo ny aina afoy, araka ny fanadihadiana.