Mila ovaina ireo ministra HVM ao amin’ny governemanta
Helisoa
Tsy milavo lefona ny vahoaka mpitolona ho an’ny fanovàna miaraka min’ny depiote 73 fa tonga marobe tao amin’ny kianjan’ny 13mey omaly, na somary tara aza ny fahatongavan’ireo depiote mpitarika ny hetsika tao an-toerana . Ny antony araka ny nambaran’ireto farany dia noho ny vary mangatsiaka teny amin’ny Antenimierampirenena izay tsy maintsy nilàna ny fahatongavan’izy ireo, mikasika ny fandinihana ny tetibola asiam-panitsiana LFR ( lois des finances rectificatives ) . Raha ny fanadaharam-potoana efa voafaritra ny talata teo dia tokony handeha ho eny amin’ny lapan’i Mahazoarivo hiresaka amin’ny Praiminisitra ny vahoaka , nefa noho ny mbola tsy fahatomombanan’ny zavatra rehetra araka nambaran’ny depiote Arnaud Tody dia mihemotra amin’ny fotoana manaraka ny dia ho eny Mahazoarivo . Ilaina ho araka ny lalàna hoy izy ny zavatra ataontsika mba tsy hisian’ny fifamonoana indray . Nisy araka izany ny taratasy alefa any amin’ny Praiminisitra Ntsay Christian mitaky ny hanesorana ny minisitra HVM ao anaty governemanta izay tsy mifanaraka amin’ny didy navoakan’ny HCC ny nanendrena azy ireo hitantana ny minisitera . Io taratasy io dia ho soniavin’ny depiote 73 , ny sendika ary ny vahoaka Malagasy mitolona ho an’ny fanovàna . Rehefa vita izany dia hirodorodo ho eny Mahazoarivo hanatitra ny taratasy sy ny didy fanapahana avy amin’ny HCC ny vahoaka, mba hibaribary eo anatrehan’ny Praiminisitra Ntsay Christian fa tsy mety ny zavatra nataony