Andry Tsiavalona
Na milaza sy manamafy aza izao fitondrana izao fa tsy misy krizy eto Madagasikara dia tsy takona hafenina ny tranga etsy sy eroa, fa misavovona toy ny fako tsy voaroaka ny olana eo amin’ny sehatra rehetra. Na tiana na tsy tiana dia krizy ara-politika ny fifandiran’ny mpanohana ny fitondrana sy ny mpanohitra momba ny « fikaonandoham-pirenena » hamakafakana ny olona rehetra sy ny vahaolana mifanandrify amin’ny singa tsirairay fototr’izany. Na ny Komitin’ny Fampiahavanana ny Malagasy (CFM), ny Fivondronan’ny Fiangonana Kristiana Malagasy (FFKM) sy ny Fiarahamonim-pirenena ary ny Vondrona Iraisam-pirenena, toy ny Vondrona Eropeana aza, dia mamporisika ny hanaovana izany.
Ny olana dia ny mpitondra sy ny mpomba azy no miziriziry ny tsy ilàna izany satria efa mandroso hono ny Firenena. Ny azo lazaina dia raha tena mandroso tokoa ny Firenena dia tsy sarotra ny mandresy lahatra ny mpanohitra amin’izany saingy hita sy tsapa, fa mitavozavoza sy tsy maharesy lahatra ny mpomba ny fitondrana eo amin’ny fanaporofoina ny fanamarinana izany. Miakatra an-tsehatra hatramin’ny manam-boninahitra ambony manambara fa tsy ilaina, hono, izany fikaonandoham-pirenena izany fa tokony ifantohana ny fampandrosoana. Tsy manaja ny etikan’ny foloalindahy intsony ny manamboninahitra gasy, ka tsy ny fiarovana ny Firenena no imasoana fa maneho hevitra politika noho ny fikatsahana toerana mampisongadin-tena ao anivon’ny fitantanana ny Firenena.
Raha ampatsiahivina ny zava-nisy tamin’ny 1991 izay nampivoatra zavatra ihany satria tsy niditra tamin’ny resaka disadisa ara-politika ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena tamin’izany fotoana izany, fa nasainy nihiboka tao amin’ny Hotel Panorama ny politisiana ary tsy navelany nivoaka tao raha tsy namoaka fifanarahana niombonana amin’ny fomba nitantanana ny Firenena. Tsy ilaina ihany koa hono izany fikaonandoham-pirenena izany fa tokony hifantoka amin’ny fifidianana ny hatao. Ka na tiana na tsy tiana ihany koa dia ny olana nisy sy noho ny ahiahy, fa tsy ho madio ny fifidianana amin’ny 2023 no antony iray lehibe hanaovna ny fikaonandoham-pirenena. Raha tany Afrika no nisy ireny resaka « doublon » an-tapitrisa ireny dia ho korontana nahatsiravina no nitranga; saingy hendry ny Malagasy.
Ambonin’izany dia miteraka ahiahy ihany koa ny fanoloana sefom-pokontany ataon’ny mpitondra satria mirotsaka amin’izany hatramin’ny depiote izay mandà izany kanefa matoa miditra amin’ny raharaha ny talen’ny kabinetran’ny depiote dia ao raha. Etsy an-kilany dia miteraka disadisa eo anivon’ny foloalindahy ny fampiasana azy ireo amin’ny andraikitra tsy tokony omena azy dia ny famoretana ny olompirenena, tsy mitovy hevitra amin’ny mpitondra, haneho hevitra na dia ao amin’ny taniny mifefy aza. Inoana fa samy tsy te-hihaina amin’izao toe-draharaha misy eto amin’ny Firenena izao, na ny vady aman-janaky ny foloalindahy na ny vahoaka tsy mandady harona na ny vady aman-janaky ny mpanao politika. Saingy matoa ny mpitondra sy ny tandapa miaraka amin’ny ankohonany tsirairay avy miaro tena tsy hikaon-doha hanatsarana ny fiainan’ny besinimaro dia misy zavatra arovany ao. Raha vao idiran’ny resaka politika, na idiran’ny politisiana ny toe-draharaha iray dia miteraka krizy. Porofon’izany ny nidiran’ny filohan’ny Repoblika tamin’ny fihaonan’ny Tanora Katolika, JMJ, ka nanomezany kit kitapo sy gourde. Na niezaka aza ny tomponandraikitra mpikarakara ny fihaonana dia niteraka disadisa teo amin’ny samy katolika izany. Tsy milamina mihitsy ny ao amin’ny Fiangonana Jesosy Mamonjy satria niandany tamin’ny andaniny ny politisiana sy ny manampahefana sasany, ka mahatsiaro ho atao an-kilabao ny ankilany. Fifidianana no fototry ny olana ka andraikitry ny politisiana niditra tamin’ny raharaha no mampihavana ireo mpifanandrina, satria vao eo anivon’ny fiarahamonina kely iray aza no misy fifanolanana sy fifamonoana dia ho loza no hitranga eto raha toy izany koa no hisy eto amin’ny Firenena.
Ny isavorivoriana, hono, hilantoana hoy ny fahendrena malagasy, mitombona ihany koa ny votoatin’ny “materialisma dialektika” izay mizotra amin’ny làlantsaina hoe ao anatin’ny fifanoheran-kevitra no hampisongadina ny hevi-dehibe hampivoatra ny fiainam-pirenena eo amin’ny lafiny rehetra. Ilaina foana ny hevitr’ireo heverina ho madinika (on a toujours besoin d’un plus petit que soit) hoy ny mpanoratra frantsay iray. Tsy mampihetry voninahitra ny manetry tena ary ilaina ihany koa ny hevitry ny vitsy an’isa ety ivelan’ny fitondrana satria hevitra fototry ny demokrasia izany.