Jean Brunelle RAZAFITSIANDRAOFA – Manameloka tanteraka ny famonoana faobe ireo mpiray tanindrazana Helisoa

Helisoa

Nalahelo mafy ny solombavambahoaka voafidy tany Ikongo sady filoha lefitry ny antenimierampirenena ao amin’ny faritany Fianarantsoa Jean Brunelle Razafitsiandraofa. Nisy ny fanambaràna nataony vokatr’izany « Tsy hananam-piry ny aina » hoy izy , ary isan’ireo soatoavina maha-malagasy ny fitandroana ny aina. Mifampitsinjo sy mifanampy ny samy malagasy fa tsy mifamono.

Isan’ny voina lehibe indrindra nahazo ny firenena izao zavatra nitranga tany Ikongo izao. Maro be ireo maty ary Malagasy tsy manan-tsiny daholo izy ireo. Manoloana io toejavatra mampalahelo io, dia miara-ory amin’ireo havana, fianakaviana ary mpiray tanindrazana amiko izay namoy zanaka, raiamandreny, mpiray tampo ary havana. Mirary fahasitranana malaky ihany koa ho an’ireo marary izay mbola miatrika fitsaboana amin’izao fotoana izao. Manameloka tanteraka ny famonoana faobe ireo mpiray tanindrazana aho hoy izy.

Malagasy ireo novonoina ireo, ary na inona na inona antony, tsy mendrika izany ny vahoaka ao Ikongo. Malagasy tahaka anao ihany ny vahoaka ao amin’ny Distrikan’Ikongo, mpiray tanindrazana aminao. Saingy, isan’ny vahoaka adino foana izahay ao amin’ny distrikan’Ikongo nandritran’ny taona maro. Ka mba mangataka ny fitondram-panjakana mba handray ny andraikiny ao anatin’ny fotoana malaky amin’izao voina sy fahavoazana lehibe mahazo ny mpiray tanindrazana izao.

Amin’ny maha solombavambahoaka ny tenako, heveriko ho adidy ny tsy maintsy anaovana fanadiadina na « enquête parlementaire » mahakasika ity raharaha ity hahafahana mamoaka ny marina rehetra, hahafantarana raha nanara-dalàna ny fitifirana ireo mpiray tanindrazana, raha nanaraka ny paik’ady rehetra lazain’ny lalàna ny fitifirana natao, raha nisy ny baiko nomena ary hahafantarana ny tompon’andraikitra nanome izany baiko izany.

Hisy ihany koa ny fitarainana ho apetraka eny anivon’ireo sampan-draharaha malagasy na iraisam-pirenena misahana ny zon’olombelona, satria dia hita fa fanitsakitsahana ny zo fototra ananan’ny tsirairay izao vono olona marobe natao izao. Raha ny zavatra fantatra hatreto, tsy nisy porofo afaka hilazana fa nisy « danger imminent » ho an’ireo zandary ireo olona novonoina ireo. Tany ivelan’ny faritra mena izy ireo ary nitodi-damosina ny zandary daholo arak’ireo sary miparitaka any anaty tamba-jotra-tsarasera. Tsy misy antony tokony nitifiran’ny zandary azy ireo mihitsy arak’izany.

Marihiko manokana fa toe-javatra tahak’izao no mahatonga ny mpiray tanindrazana tsy hahatoky intsony ireo mpitandron’ny filaminana eto amin’ny firenena. Fotoana izao hijerevana sy hanarenana ireo lesoka rehetra mba tsy hiverenan’ny famonoana.