Hetsiky ny mpitondra fivavahana – Mahonena sy manafintohina tanteraka ny zava-misy tany Ikongo.

Helisoa

Manoloana ny nahafatesana mpiray tanindrazana tany Ikongo dia namoaka fanambaràna ny hetsiky ny mpitondra fivavahana HMF.

Mirary fiononana feno sy mivavaka ho an’ny fianakaviana nanana ny maty. An’Andriamanitra ny aina ary tsy avelany ho fatifaty foana ny olona na iza na iza namono sy voavono. Ny vahoaka dia natao ho arovana ary ny mpitondra izay manana fahefana hampiasa ny mpitandro ny filaminana no tompon’andraikitra voalohany amin’izany.

Mitarika ny saina hieritreritra sy handinika zavatra maro izay zava-nitranga tany Ikongo izao, ka namoizana ain’ny mpiray tanindrazana miisa 24; toy ny hoe: ahoana marina ny fanofanana sy fomba fandraisana ireo mpitandro filaminana eto amintsika? ny tranga tany antsakabaro, ny mpitandro filaminana namono nahafaty ny vady aman-janany ary namono tena, ny fihoaram-pefy sy fanamparam-pahefana re etsy sy eroa…sns. Sao dia tokony ho heverina manokana ny famahana olana eo amin’ny antsoina hoe “famerenana ny fitokisan’ny vahoaka ny rafi-panjakana mahefa, toy ny fitsarana, ny mpitandro ny filaminana..sns”.

Tsy efa fotoanany ve izao hanehoan’ny mpanao politika Malagasy sy ny tompon’andraikitra ambony rehetra na sivily na miaramila, fa FAHAMENDREHANA sy FAHAMBONIAN-TSAINA ny MIALA rehefa nisehoan-javatra tsy tokony hiseho, ny teo ambany fiahianao, mba ahazoana manarina haingana ny lesoka sy misoroka izay mety ho fiverenan’ny tranga, toy ny mitranga any ivelany. Raha nirodana ny kianja iray tany Italia taona maro lasa izay, dia niala ny tompon’andraikitry ny foto-drafitrasa tany aminy? Ekena tokoa fa tsy ny fanomeza-tsiny loatra no tena hampandroso fa ilaina kosa ny mahay maka lesona ary ny tena Tomponandraikitra dia “manam-panahy” handinihan-tena sy ny zava-misy eo amin’izay andraikitra manandrify azy; fa tsy ny olona hafa no handeha hamoha na hanaitra azy. Mivavaka ho an’ny vahoaka Malagasy! Diniho ihany sao mahasoa!

« Tsy hangina Aho noho ny amin’i Ziona, Ary tsy hitsaha-miteny Aho noho ny amin’i Jerosalema, mandra-piposaky ny fahamarinany tahaka ny famirapiratry ny mazava, ary ny famonjena azy tahaka ny fanilo mirehitra. » (Isaia 62,1)