Praiminisitra teo aloha Monja Roindefo – Tsy lahatr’Andriamanitra ny nahafatesana olona tany Ikongo

Monja Roindefo

Helisoa

Nanoloana ny tranga nahafatesana olona 24 sy naharatrana olona maro taorian’ny fitifirana nataon’ny zandary tany Ikongo noho ny raharaha hala-jaza varira, dia naneho ny fiombonana alahelo tamin’ireo vahoakan’Ikongo ny praiminisitra teo aloha Monja Roindefo , no mitondra ny teny fampaharezana.

Tsy lahatr’Andriamanitra ny toy izao hoy izy fa vokatry ny aretina mikiky ny fiarahamonina noho ny firongatry ny tsy fandriampahalemana isan-karazany sy ny fanjakana misy, izay mampanontany tena ihany hoe: amin’ny lafiny inona no tena mampahomby azy satria dia mikorontana tokoa ny fiaramonina malagasy ankehitriny. Lasa ny fanjakana mihintsy sy ireo antana-toham-panjakana no tsy itokisan’ny vahoaka malagasy raha tarafina amin’ny zava-misy sy iainana amin’izao.

Raha amin’ny fahitalavitra sy radio no ahitana sy andrenesana ny tifitra, vono-olona sy fifanafihana maro samihafa any amin’ny faritra tsy milamina any Afrika, dia zary efa ho fahita matetika eto amin-tsika izany.

Koa manao “Antso Avo” amin’ireo Mpampiasa ny fahefam-panjakana fa: Tsy ny any Ikongo ihany no ilàna fanadihadiana fa dia ny firenen-tsika manontolo mihintsy, mba hamerenana ny filaminana isam-paritra sy isam-piarahamonina eto Madagasikara.