Andry Tsiavalona
Nahazo vahana tao anatin’iny volana Aogositra iny ny zaikabe sy ny fihaonana ara-pinoana teo anivon’ny Fiangonana kristiana eto Madagasikara. Tsy azo odian-tsy hita ihany koa ny ady misy eo amin’ny mpino ao amin’ny Fiangonana Jesosy Mamonjy etsy Ankorondrano. Raha ireo hetsika ara-pinoana ireo no asian-teny dia samy nanana ny hafatra nampitainy ny Raiamandreny ara-panahy. Etsy an-kilany dia mivoy ny fikaonandoham-pirenena ny mpanohitra, ny FFKM sy ny fiarahamonim-pirenena ary ny Vondrona Iraisam-pirenena.
Nibahan-toerana teo amin’ny fiainam-pirenena, tato anatin’ny herinandro roa, ny fitifiran’ny zandary ny Malagasy mpiray rà tany Ikongo faritra Fitovinany. Eo amin’ny sehatra ara-pinoana dia nanaitra ny Kristiana Loterana sasany ny nanomezan’ny filohan’ny Repoblika Rajoelina fiara tsy mataho-dàlana ho an’ny Filohan’ny FLM, sy ny nanolorana vola roapolo tapitrisa ariary ho an’ny Kristiana Tanora Loterana Malagasy (KTLM) nanao Zaikabe tany Mahajanga. Ny Andro Iraisam-pirenenan’ny Tanora (JMJ) tany Antsirabe kosa, na tiana na tsy tiana, dia nanaitra ny maro ny fanomezana avy amin’ny fitondrana ireo fitaovam-pianarana miloko “volom-boasary”.
Na dia nanambara aza ny Pretra nanokatra ny JMJ, fa tsy misy resaka politika ny momba izany, kanefa ny lokon’ireo fanomezana no mampiseho an-kolaka fa politika ny ao ambadika, satria rehefa misy dian-tànan’ny antoko eo amin’ny fitondrana ny zavatra iray dia hita hatrany ny lokom-boasary. Ny tany Toamasina dia nampitain’ny Filohan’ny FJKM tamin’ny tanora niatrika ny Zaikabe ny tsy maintsy handraisan’izy ireo andraikitra eo amin’ny sehatra politikam-pitantanana ny Firenena, kanefa nanamafy ihany koa izy, fa tsy ekena ny fampidirana ny resaka politika mandritra ny hetsika. Ny tsapa ihany koa dia nisy fitongilanana teo amin’ireo fihaonana ara-pinoana telo ireo, satria tsy nisy fandraisana anjara fanohanana avy amin’ny fitondrana ny Fihaonan’ny Tanora FJKM tany Toamasina faritra Atsinanana. Tsy ny fanomezana no zava-dehibe, fa ny fanehoana fa Malagasy ireo nanao fihaonana na ny tany Antsirabe, na ny tany Mahajanga, na ny tany Toamasina, ka tsy azo heverina ary tsy azo ekena raha izay heverina ho ray aman-drenin’ny Malagasy rehetra, no manilika antsisim-bala ny tsy mitovy finoana aminy.
Tsy misy tsy mahafantatra fa katolika ny filohan’ny Repobika ary loterana ny filohan’ny Antenimieram-pirenena, tsy misy mahafantatra na misy FJKM ny lohandohan’ny mpisorona ao amin’ny fitondrana, fa ny filohan’ny mpanohitra, Ravalomanana Marc, no fantatra fa mpino FJKM ka izay, angamba, no anton’ity fitanilàna ity. Nanambara anefa ny filohan’ny Repoblika tany Antsirabe fa “tsy tokony ho zarazarain’ny finoana sy ny fihaviana ary ny loko ny Malagasy”. Niteraka fifandonana teo amin’ny samy mpino ao amin’ny Fiangonana Jesosy Mamonjy ihany koa ny resaka fifidianana izay tokony ho toe-javatra ifandaminan’ny samy ao anatiny kanefa dia nidiran’ny rafitra eo anivon’ny fitondrana sy ny depiote, izay nanohana ny an-daniny, milaza fa ara-dalàna ny voka-pifidianana. Niafara eny amin’ny fitsarana moa ny raharaha, ka ho hita eo na afaka mitsara ny raharaha toy itony ny ao amin’ity fahefana mahaleotena tsy mandray baiko avy amin’ny fahefana hafa ity.
Eo amin’ny sehatra ara-politika dia samy maneho ny maha zava-dehibe ny fikaonandoham-pirenena ny hery velona rehetra eto amin’ny Firenena. Raha ny marina dia tsy tetikady entina hiaraha-mitantana no fonosin’izany fikaonandoha izany, fa fitadiavana izay hisian’ny fifidianana marina sy mangarahara, eken’ny rehetra, no tanjona. Tsy azo lavina fa misy ny elatra mety manan-kevitra hirotsaka ao amin’izao fitondrana izao, kanefa hevi-diso ihany izany, satria hiara-maimbo ary tsy hampiova na inona na inona ny firotsahana ao. Ny FFKM raha mitaky izany Fikaonandoha izany dia noho ny fikatsahana ny fampanjakana ny fahamarinana eo amin’ny sehatra rehetra, sy ny fahefana ary ny rafitra rehetra misy eto amin’ny Firenena. Azo heverina kosa fa matoa mitaky fifidianana mangarahara sy eken’ny rehetra ny Vondrona Iraisam-pirenena dia ny mba hisian’ny fitoniana ara-politika, ka ho afaka mampiasa tsy amin’ahiahy ny volany eto izy ireo. Mitaky fanadihadiana parlemantera lalina momba ny raharaha tany Ikongo ihany koa ny mponina avy any an-toerana ary tsy manaiky raha havela ho very an-javony toy ireo tranga namoizan’aina olompirenena tany an-kafa ity raharaha ity. Tsy hampitsangana ny maty tokoa ny fanomezana omby sy fanolorana fanampiana ny fianakavian’izy ireny.
Fotoana fandinihana lalina ary handraisana fanapahan-kevitra matotra ny toe-draharaham-pirenena ankehitriny, ka tsy diso anjara amin’izany ny tanora izay misedra olana tokoa eo amin’ny fanabeazana noho ny olana ara-bola amin’ny fisoratana anarana sy ny fividianana fitaovana ho an’ny aty amin’ny ambaratonga voalohany sy faharoa. Mijaly noho ny tsy fandraisana vatsim-pianarana ho an’ny eny amin’ny ambaratonga ambony ary tsy resahina intsony ny tsy fisian’ny asa ho an’ireo manana diplaoma. Tsy hitondra vahaolana ny barofo sy ny fanonganam-panjakana, fa ho avy ny fotoana hanehoana, fa efa feno ny kapoaka ka soa lavo hahay mamindra ary soa kenda hahay mitsako.