Lalana Ambilobe-Vohemar – Fitohizan’ny raharaham-panjakàna no hidedahan’ny fitondràna TGV

Ny valosoa

Fomban’ny fitondràna Andry Rajoelina ny mihezaka ny hamafa ny zava-bitan’ireo filoha teo aloha. Mihevitra ny tenany fa azo ambakaina ny Malagasy Tsy fatany fa efa mivoatra be ny teknolijia amin’izao fotoana izao, ka mipetraka ho tantara tsy azo fafàna na tsara na ratsy vita teto amin’ity firenena ity. Ho tokanana ankehitriny ny lalana Ambilobe Vohemar, dedaka ery ireo mpomba ny fitondràna toa andry Rinah Rakotomanga sns… mandrangitra ireo tsy mitovy hevitra aminy ao amin’ny tambazotran-tserasera, tena hoe mirefarefa amin’ny tany mihintsy ilay adihevitra. Ny tsy fantany dia misy tantara daholo izay tsy ho voafafany na hanao inona izy na hanao inona eto amin’ity tanindrazana iombonana ity. Misy tantara toy izao io lalana Ambilobe Vohemar io. Fitohizan’ny raharaham-panjakana io fa tsy araka ny hadedahan’ny fitondràna ankehitriny hoe Rajoelina nahavita azy.

Tamin’ny taona 2008 dia efa nahazo fanomezan-toky tamin’ny vondrona Eropeana ny fitondràna Ravalomanana fa hamboarina ny làlana Ambilobe-Vohemar. Izany dia efa tao anaty programa 10è FED. Nisy anefa ny sazy nihatra tamin’ny Madagasikara noho ireny fanonganampanjakana ireny dia nihantona ny famatsiambola. Tonga teo amin’ny fitondràna ny Filoha Hery Rajaonarimampianina dia namerina nifampiraharaha tamin’ny vondrona Eropeana saingy noesorin’ny ity farany ny fanamboarana ny làlana Ambilobe-Vohemar fa ny RN6 sy ny RN13 ary ny RN12 kosa mbola nankatoavin’izy ireo ny hamatsiana vola azy.

Tamin’ny taona 2015 dia namonjy fivoriana an-tampony tany Afrika Atsimo ny Délégation malagasy notarihan’ny Filoha Rajaonarimampianina. Fivoriana antsoina hoe FOCAC izay nandraisan’ny Filohan’ny Chine Xi Xiping ireo filoha Afrikanina maniry ny hiara hiasa amin’ny Chine. Volabe amina miliara no natokan’ny fanjakana Sinoa hanampiana ny firenena Afrikanina izay mahakasika ireo fotodrafitrasa fototra entina mampiroborobo ny toe-karena Afrikanina. Nanolotra tetikasa maro ho fitadiavana famatsiambola Sinoa ny fanjakàna malagasy tamin’ny fitondràna Rajaonarimampianina. Anisan’ireny, izay efa vita soa amantsara sy hisitrahan’ny Malagasy ankehitriny dia ny làlana mampitohy an’ny Tsarasaotra- Ivato, làlana Rocade Ouest mampitohy an’i Digue Ambohitrimanjaka mivoaka any Talatamaty, ny Barage hydroélectrique Sahofika, ny Làlambaovao Andohatapenaka mankany 67ha ary ny làlana Ambilobe-Vohemar.

Rehefa natolotry Filoha Hery Rajaonarimampianina tamin’ny Filohan’ny Chine Xi Xiping ny tetikasa dia nanaiky avy hatrany ny Filohan’ny Chine ary nandefa teknisianina nifampiraharaha tamin’ny Governemanta malagasu tamin’ny taona 2016. Nalaza mananjina anefa io làlana Ambilobe-Vohemar io satria araka ny fantatra dia izay filoha nanam-pikasana hanamboatra io làlana io dia niongana teo amin’ny fitondràna foana. Anisan’izany ny filoha Zafy Albert. Koa tamin’ny 2016 dia nisy fomfomba malagasy natao tany Maromokotra mba nanaovana joro fangatam-pitahiana tamin’ny razana ary koa natao tamin’io fotoana io ny fampihavanana ny fanjakàna roa izay nifandrafy tany an-toerana: ny fanjakana Iharana sy ny fanjakàna Antakarana izay nisoloan’ireo mpanjaka isany avy tena.

Délégasiona mafonja notarihan’ny Praiminisitra Olivier Mahafaly no tonga tany an-toerana nanatanteraka izany fomba malagasy izany. Nitohy ny fifampiresahana tamin’ny fanjakàna Sinoa ka tonga tamin’ny fanekena ny fiatombohan’ny asa ry zareo Sinoa, ka ny orinasa CRBC no voatendry hanatontosa ny asa tamin’ny taona 2018. Natao ny fametrahana ny vato fehizoro fiantombohan’ny asa tamin’ny aogositra 2018 ka ny Filohan’ny repoblika Hery Rajaonarimampianina sy ny Praiminisitra ary ny minisitry ny asa vaventy no nametraka ny vato fehizoro. Niova ny fitondràna tamin’ny taona 2019 ka mba nilazana fa ny fitondrana ankehitriny no nahavita dia noezahana nofafàna tao an-tsain’ny olona ireo tantara voalaza etsy ambony ireo ary nongotaka mihitsy ny vato fehizoro nilaza fa efa tokony natomboka tamin’ny 2018 ny fanamboarana ny làlana Ambilobe-Vohemar. Tsara ny manao werawera saingy ratsy kosa ny fanadisoana ny tantara satria manimba ny toe-tsaina Malagasy izany.