Tsy te hahalala ny fahantran’ny vahoaka 92% ny mpitondra

Andry Tsiavalona

Minia mikimpy maso sy tsy te-hahalala ny fahantrana sy ny fahoriana iainan’ny vahoaka Malagasy roambisivifolo isan-jato (92%) ny manampahefana amin’izao Repoblika IV-2 izao. Ny kabarin-dRajoelina Andry tany amin’ny Fivoriamben’ny Firenena Mikambana farany teo dia toa nampahafantatra ny firenena maneran-tany, fa tena mandroso i Madagasiakara, satria izy nisoratena ho mpitondra tenin’ny firenena Afrikana.

Tsy ela akory fa vao tamin’iny herinandro lasa iny no nampiaka-peo ny minisitry ny Serasera sy Kolontsaina Lalatiana Rakotondrazafy Andriantogarivo ny tsy hihemorany na inona na inona fanenjehana azy. Ny zava-misy dia tsy mbola nisy azo tsapain-tànana sy hitan’ny maso ary nisongadina ny fampandrosoana nataon’ity minisitra ity. Tsy fampandrosoana ny nananganana ny “Colisée” ao amin’ny Rovan’i Manjakamiadana, fa famotehana ny Vakoka sy fanimbazimbana sy fanitsakitsahana hasin’ny Kolontsaina Malagasy. Tsy fampandrosoana fampandrosoana ihany koa ny fiziriziriana hanavao ny Tranovola amin’ny akora tsy mifanaraka amin’izay nanorenana azy fahiny, fa fitia te-hihebohebo sy fisehosehoana fotsiny ihany.

Tsy miteny sy tsy te-hanebaka an-dRajoelina Andry ireo filoham-pirenena nanatrika ny Fihaonambe tany New-York, fa nangina ka mety mihevitra izy fa rehefa tsy miteny dia manaiky (qui ne dit mot, consent). Rehefa tafaverina teto an-toerana izy dia manohy indray ny fampandriana adrisa. Tsy azo eritreretina fa mety misy olompirenena tsy tia fampandrosoana sy tsy te-hiaina ao anatin’ny filaminan-tsaina eo amin’ny sehatra rehetra. Nikabary anefa ny filohan’ny Repoblika tamin’ny faran’ny herinandro teo, fa tsy misy hahasakana ny fampandrosoana hirosoany ka anisan’izany ny fanarenana ny Làlampirenena faha-5 mampitohy an’i Toamasina sy Fenoarivo Atsinanana, sy ny fananganana ozinina fanodinana vokatry ny tantsaha misy any Atsinanana.

Iaraha-mahatadidy fa efa nisy fanarenana tamin’ny “béton” ny Làlampirenena faha-5 tamin’ny fitondrana tetezamita, saingy matoa potika indray dia tsy nisy ny fikojakojana ary ny làlambe migodàna no lazaina fa hatomboka afaka volana vitsivitsy. Nanome toky ihany koa ny filohan’ny Repoblika, araka ny voalaza etsy ambony, fa hanangana ozinina hanodinana ny vokatry ny tantsaha. Miara-mahatadidy ihany koa ny Malagasy fa efa nanome toky toy izany ny filohan’ny Repoblika Rajoelina tany amin’ny Faritra Vakinankaratra kanefa tsy mbola niverina nametraka vato fototra tany hatramin’izao.

Tsara ary iara-miaiky fa hiteraka fampandrosoana izany ary hamorona asa ho an’ny tanora ihany koa, saingy mbola any an-kibon’ny omby, ka tsy azo eritreretina sy tsy azo antenaina ho tanteraka ato anatin’ny taona iray sisa tavela itantanan’izao fitondrana izao ny Firenena. Na ho tanteraka aza ireo dia tsy ampy hitondra fampandrosoana, satria miara-miainga avokoa ny singa na ny sehatra rehetra iankinan’izany. Hampalemy ny famokarana izay anisan’ny fototra iorenan’ny fampandrosoana ny tsy fandriampahalemana.

Manjaka tanteraka manerana ny Nosy ny asan-dahalo sy ny asan-jiolahy, ka ny ady amin’ireo no tsy maintsy atao laharam-pamehana raha te-handroso. Ilaina ny làlana tsara ary mety hanafaingana ny famonjen’ny mpiaro ny vahoaka sy ny fananany ny olona tafihana. Raha tena misaina fampandrosoana ny filohan’ny Repoblika dia nataony izay nividianana ireo angidimby folo nampanantenainy sady hialana amin’ny famoizan’aina sy faharatrana zandary maro tahaka izay navoakan’ny gazety omaly, noho ny fanafihana dahalo. Ety an-tanàn-dehibe indray dia samy mitady izay harapany na ny “taxi- moto” na ny mpivarotra amoron-dàlana. Raha voarindra tsara ny asan’ireo dia samy hampidi-bola ho an’ny fiadidiana ny tanàna, ka hiteraka fampandrosoana, kanefa tsy izay ny zava-misy fa hatao zanak’ikala hafa ny mpivarotra amoron-dàlana ary niverenana nofidiana teo anivon’ny filankevitry ny tanàna’Antananarivo ny fanekena ny “taxi moto” hahazo fahazoan-dàlana hiasa.

Tena tsy maintsy hifotorana ihany koa ny fitadiavana vahaolana matotra sy maharitra ny aditany, satria voahilika mandrakariva ny mponina amin’ny toerana iray bodoin’ny vahiny, indrindra indrindra, ka tsy afaka hamokatra intsony. Tsy lazaina intsony ny kolikoly izay manjaka tanteraka any amin’ny sehatra sy ambaratongam-pitantanana rehetra misy eto amin’ny Firenena. Sakana ity toe-draharaha ity satria mambotry Firenena ny toetsaina lomorina sy mametsifetsy ny mpiarabelona.

Tsy ady amin’ny fampivoarana ny fiainan’ny mpiray Tanindrazana na fikatsahana fampandrosoana marina tokoa, no ifotoran’ny mpitondra ankehitriny, fa fanamparam-pahefana sy fampiasana herim-pamoretana ary fanafoanana ny fahaleovantenan’ny fahefana na andrim-panjakana misy, entina hangoronan-karena amin’ny fomba rehetra.