Fikambanan’ny taxi FTAR – Hanolotra an’i Clemence ho kandidà ben’ny tanànan’Antananarivo

Helisoa

Nivory tao amin’ny Astauria Antanimena ny fikambanan’ny taxi eto Antananarivo Renivohitra FTAR, izay tarihin’ny filohany Clemence Raharinirina. Tao anatin’izany dia nisy ny fanambaràna nivoaka, ka hevitra miisa 5 no nivoitra tamin’izany. Namoaka licence miisa 500 latsaka ny kaominina Antananarivo tenivohitra, ankehitriny anefa mbola maherin’ny 3000 izao no mbola tsy nahazo. Noho izany, takian’ny taxi ny hamoahana miaraka ireo licence mbola tavela ao amin’ny CUA. Nisy mantsy hoy Clemence Raharinirina ny fampanantenana nataon’ny ben’ny tanàna nambaboana ny taxi fa eo ho eo dia hivoaka ny taxi, nefa ankehitriny tsy izay akory no miseho. Faharoa manaraka izany, nampanantena ny ben’ny tanàna Naina Andriatsitohaina, fa tsy hisy intsony ny contre visite nandritra ny fihaonana taminy. Tato aoriana anefa dia soloina visite de conformite indray io contre visite io. Fantatray fa tsy manambola ny kaominina na alefa amin’ny zavatra hafa. Noho izany izahay taxi eto Antananarivo dia ao anatin’ny kaominina Antananarivo renivohitra, tsy mandà ny handoa vola tokony hefainay izahay, saingy kosa izay voafaritra ao anatin’ny tetibola ihany izany. Noho izany, tsy hanaiky ny hanao visite de conformité izahay. Mikasika ny Taxi moto indray, nilaza i Clemence Raharinirina fa misy ny olana eo amin’ny taxi-moto sy taxi. Noho izany, manoloana ny ahiahy amin’ny asa fanapotehana ny asan’ny taxi dia hiady hatramin’ny farany ny tsy andehanan’ny taxi moto eto Antananarivo araka ny fandaniana natao amboletra nataon’ny mpanolotsaina sy ny mpitantana ny kaominina. Noho izany hitondra ny raharaha eny amin’ny tribonaly miady amin’ny fanjakàna io lalàna natao letrezana io izahay. Eo koa ny fanangana komity hiaro ireo mpisehatra ao anatin’ny taxi ville. Tadiavina atao eny amin’ny tobim-piantsonan’ny taxi ny taximoto, ka tsy hanaiky izany izahay. Farany, nanambara ny mpikambana FTAR, fa manoloana ny antsojay atao aminay taxi dia vonona ny taxi hanolotra any Clemence Raharinirina ho kandidà ben’ny tanànan’Antananarivo amin’ny fifidianana ho avy ary hanohana azy amin’ny fanatanterahana izany.