Làlana migodàna mihazo an’i Toamasina- Praopagandy sahady amin’ny fifidianana indray io

Rajo

Efa praograma tamin’ny fampielezan-kevitra nataon’ i Andry Rajoelina farany teo ny fanamboarana ny làlana migodàna mihazo an’i Toamasina. Ho tapitra ny taom-piasana, tsy mbola mandeha ny tetik’asa dia izao mampiesona vahoaka izao indray. Notanterahina teny Iavoloha ny fifanaovan-tsonia fiaraha-miasa teo amin’ny fanjakana malagasy sy ny orinasa Egyptiana ny herinandro teo, hanamboarana ity làlana migodàna ity izay mandalo an’Ambatondrazaka mihazo an’i Toamasina. Nokianin’i Rolland Ratsiraka ny fanamboarana ity làlana migodàna ity, satria tsy voafaritra ny tetibola hanamboarana azy.

Ankoatr’izay, dia tsy mbola voafaritra koa hoe raoviana no ho vita ity làlana ity. Ekena hoy ireo tonga nanotrona, fa zava-dehibe ny fananganana ity tetikasa ity, saingy tafiditra ao anaty fampielezan-kevitra sahady ity resaka ity, satria havanana amin’ny ronono an-tavy sy ny fampiesonana vahoaka hatrany ny filoha Rajoelina. Miandry ny vahoaka hoe ho vita ve ity làlana ity, sa tapitra ny fotoam-piasan’ny filoham-pirenena ka efa mandeha sahady ny praopagandy alohan’ny fifidianana amin’ny taona ho avy?

Ankoatra izany, tetikasa efa niarahana tamin’ny Japone ny hanamboarana io lalana miogadana Antananarivo-Toamasina io, tamin’ny alalan’ny tetikasa TATOM, nefa izao lasan’ny egyptiana izao, ka asa na ho vita tokoa io lalana io na tsia? Ho hitantsika eo iahny ny ho tohiny.