Bruxelles, Paris : kandidà Ravalomanana N°25
Ny marina momba ny fanonganam-panjakana 2009
Isambilo
Rehefa avy nitety faritra maro teto Madagasikara ny kandidà Marc RavalomananaN°25 dia niresaka tamin’ireo mpiray tanindrazana amintsika mipetraka any Eoropa, nanazava mazava izy ny anton-diany tany, dia : mandalo fasahiranana mafy ankehitriny ny tonkantrano Malagasy, iray lehibe amin’izany ny tsy fahampian-tsakafo, io no adidy lehibe voalohany miandry ahy ka nihazakazahako tao amin’ny Vondrona Eoropeanina, hoy i Dada, nitondrany ny fandaharan’asany amin’ny hanampian’izy ireo antsika mahakasika izany, nahoana hoy i Dada no omenareo vola 2 euros isan’androireo mpitsoam-ponenana maneran-tany mba hihinanany sakafo, fa mba misiaá ianareo mandeha any aminay mijery ny zava-misy marina any fa maro ny olona tsy misakafo,indrindra fa ny any amin’ny faritra atsimo. Tsy niandry ela ny tompon’andraikitra ny Vondrona Eoropeanina fa nandefa olona hijery izany maika.
Ny mahakasika ny fandriampahalemana dia nambarany mazava fa rehefa misakafo ny olona dia mihena be ny tsy fandriampahalemana, satria nohon’ny fahantrana misy ao amin’ny tokantrano no mahatonga izany.
Simba tanteraka ny lalana rehetra eto Madagasikara, tsy maintsy haverina hamboarina izy ireny.
Maharary ahy mafy hoy ny Filoha Marc Ravalomanana ny mahita ireo ankizy tsy miditra an-tsekoly, izay rehetra nanontaniako hoy izy dia milaza fa nohon’ny tsy fahampiana no mahatonga izany, tsy handroso mihintsy ny firenena rehefa tsy mahay ny olona ao aminy, tsy maintsy ary tena tsy maintsy hampianarina ny zanantsika Malagasy.
Nanazava mahitsy izy, fa izy dia niharan’ny herisetra ara-batana tamin’ny fanonganam-panjakana tamin’ny taona 2009 ireny. Efa mijoro aho izao hoy izy, fa ny tena voa mafy dia ny vahoaka Malagasy, n’inona hazavaina ankehitriny fa hoe tsy “coup d’etat” dia diso, izaho mihintsy hoy i Dada no nahita an’i Norbert Lala nanova ny Zavatra nosoratako,ho avy ny fotoana tsy maintsy hanazavana ny zava-marina rehetra mahakasika iny. Voasazin’izao tontolo izao i Madagasikara noho ilay “coup d’etat”, ary ny vahoaka no mandalo fasahiranana mafy, nohon’ny fitiavan-tenan’ny hafa. Ankoatra izany, vita ny MAP 2 ary nentina tamin’ireo mpamatsy vola, tsy hoe rehefa tonga eo vao hitady vola, fa izao no fotoana fanaovana izany hoy ihany i Dada.