Lily Rafaralahy – Tsy zaka ny hetra alain’ny kaominina Antananarivo Renivohitra

Isambilo

Nanao fanambarana ny mpanolotsainan’ny tanànan’Antananarivo, avy amin’ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM), mahakasika ny fidangan’ny hetra alain’ny kaominina Antananarivo Renivohitra, tarihan’ny ben’ny tanàna Vazahabe, Naina Andriantsitohaina amin’izao fotoana. Tsy zaka izany hetra alain’ny fiadidian’ny tanàna izany, hoy ity olom-boafidy ity:

“Tsy misy tsy mitaraina satria mihoa-pampana loatra, aiza ve ka dia hetra 24.000 Ar teo aloha, lasa maherin’ny 1 tapitrisa Ar, ataovy ny kajy hoe firy isan-jato ny tahan’izao fiakarana izao? Ny mahagaga dia mbola hamarinina ihany ny hoe maha-ara-dalàna ity fiakarana be ity, jereo ny CGI (code general des impôts), fa 5 hatramin’ny 10% isaky ny 3 taona no taha manara-dalàna. Mbola io code io ihany koa no milaza, fa tokony hanangana vaomiera ahitana solontenan’ny mponina, 1 isaky ny 50.000 miara-manapaka ny tahan’ny fiakarana, nisy ve izany, iza aminareo mponina ilay solontena niara-nidinika tamin’ny mpanatanteraka, ka nanaiky an’io? Ary moa ve mahafa-po sy mifanaraka amin’ity volabe midangana takiana amin’ny vahoaka an’Antananarivo ity, ny tamberin’andraikitra mifanaraka amin’izany? Vita tsara ve ny lalana, voaraoka ve ny fako, madio sy mendrika araky ny maha-renivohitr’i Madagasikara azy ve Antananarivo?

Ny tena loza dia efa tena tsy zakan’ny olona intsony ny vidim-piainana, ny fidiram-bola nefa tsy mitombo, fa mahagaga fa dia mbola misy mahita ny mahamety an’izao fiakaran’ny hetra izao ihany? Sa mety misy ampahan’olona tsy ihàran’ny fampiakarana kosa angamba ve sa?

Ho anareo mahazaka sy manana ny fahefa-mividy ho amin’izany moa, ka mbola mahita lafy tsara hanohanana izany, anareo ny anareo, fa ho ahy, sy ireo mitovy hevitra amiko, tsotra ny anay: TSY ZAKA, TSY ZAKA, TSY ZAKA. Mila mijoro isika, satria ny tsy fahasahiana hiteny sy hijoro dia midika ho fanekena,” hoy ny fanambarana.

Ny tsapa sy hita amin’izao raharaha izao, manampatra ny tsy fananany vola mihitsy ve ry Vazahabe sy ny ekipa, sa ahoana?