TENA TSY MILAMINA ETO

(Sary Tia Tanindrazana)

Vao mitsidika ny taona dia tsy ao ny fitoniana.
Indreo manomboka sahady irony hetsi-pitakiana.
Toy ny efa manambara dieny aty am-piandohana,
Fa ho ratsy ny tantara, hiakatra ny maripana!

Ny hatezerana no indro f’efa toa miakatrakatra,
Vokatry ny vidim-piainana tena mila tsy ho takatra.
Vary no efa hovidiana sivinjato ny kapoaka,
Efa tafahoatra loatra ka tsy zakan’ny vahoaka!

Etsy, mihetsika sahady fa naongana ny namany.
Atsy, misy mitaraina ho tsy nahazo ny karamany.
Etsy, misy miaka-midina fa anaovana antsojay.
Atsy, misy akama arovana, ary dia “miseho milay”!

Ny fitondrana, efa lo kanefa mbola miady an-trano.
Mahavita miedinedina, mbola mitantara angano.
Ireo izay kely mba najorony, indreo mirodana am-pitoerana,
F’izany ilay manara-penitry ny tsy ampy fiheverana!

…Vao mitsidika ny taona dia efa ratsy ny tantara.
Ho aiza re ’ty firenena, ho aiza ianao ry Gasikara?
Mainka izany rehefa akaiky ny fotoana hifidianana.
(Miharihary ny havendranana amin’ny ara-pitantanana!)

DADAN’i RIANA (05-01-23)