Andry Tsiavalona
Fanapahan-kevitra lehibe hiankinan’ny fiainam-pirenena eo amin’ny sehatra rehetra, no notapahin’ny filankevitry ny minisitra ny alarobia 15 febroary 2023, momba ny fanovàna na fanesorana minisitra sasantsasany. Raha ny fampitam-baovao nataon’ny minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, Rakotondrazafy Lalatiana, no dinihana dia fanesorana minisitra (remaniement) no hisy, na dia efa nisaoran’ny filohan’ny Repoblika Rajoelina aza ny mpikambana ao amin’ny governemanta rehetra tamin’io filankevitra io. Namafisin’ny minisitra ihany koa fa rehefa tafaverina avy any Addis-Abeba ny filohan’ny Repoblika dia hampiasa atidoha, tsy hatory andro aman’alina indray, hisivana sy hanao fanadihadiana ara-moraly an’ireo efa nihazakazaka nanatitra ny momba azy (CV), taorian’ny filazana ny fampihantonana ny governemanta. Nanambara ihany koa ny minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, fa mihazakazaka mafy loatra ny filohan’ny Repoblika (efa tompondakaka amin’ity taranja ity ihany koa angamba izy, saingy tsy fantatra na im-piry na im-piry), ka misy ny tsy naharaka izany dia tsy maintsy soloina.
Raha ny tranga rehetra hatramin’ny naha-filohan’ny Repoblika an-dRajoelina Andry anefa dia ny sainy no mirifatra mafy loatra toy ny kapila “78 tours” taloha. Tsiahivina ireo noheveriny ho fampandrosoana teo amin’ny fotodrafitrasa: Làlampirenena faha-13, faha-44, faha-5; ny « fly over » ny fanorenenana trano fonenana ara-tsosialy (logements sociaux) dimy alina; ny fananganana hopitaly, CSB, sekoly manara-penitra. Raha ny « fly over » no resahina dia nofinofy fotsiny izany, fa tsy nivadika ho zavatra mivaingana ka mitohy ny fitohanana. Nanome toky ny filohan’ny Repoblika, fa ho tarihina ny « pipe-line » tany amin’ny Faritra Atsimo entina miady amin’ny haintany ary hanondrahana ny tany fambolena hanafoanana ny « kere » sy tsy fanjarian-tsakafo any an-toerana. Mitombo andro aman’alina nefa ny olompirenena any amin’iny Faritra iny matin’ny hanohanana kanefa fizarana vary masaka no nataon’ny filohan’ny Repoblika. Ny Làlampirenena aloha dia tsy nisy vita hatramin’izao. Ny trano fonenana dia tsy ny am-pahafolony akory no tafatsangana ary raha ny sekoly sy hopitaly ary CSB no jerena dia misy vita ary misy nolokoina lokom-boasary fotsiny ihany. Misy kosa anefa ireo natsangana an-tsokosoko eo anivon’ny minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina toy ny “colisée” ao amin’ny Rovan’i Manjakamiadana sy ny Tranoben’ny Kolontsaina tany Morondava, izay nirodana ho azy toy ny “château de sable”.
Araka izany dia tsy nisy nifanakalozan-kevitra sy tsy notapahahina tao amin’ny filiankevitry ny minisitra, ary mazava ho azy fa tsy voasoratra tao amin’ny Lalàna Tetibola Lasitra sy Lalàna Tetibola. Nasiam-panitsiana ireo rehetra ireo fa notapahin-dRajoelina Andry, teny am-panidinana ka sarotra ho an’ny minisitra ny hanenjika ny ao an-tsain’ny filoha. Raha ireo no jerena dia ny minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina no lohalarana sy maharaka ny hazakazaka ataon’ny filohan’ny Repoblika, satria izy no miaraka aminy amin’izay diany rehetra any ivelany ka mihira hoe: “tiako zarainao amiko daholo ny nofinao mba hahafahako mahafantra sy maharaka dieny mialoha izay kasainao hatao, ka tsy hilaozanao lavitra toy ireo sasany aho…” Ny tsapa sy hita dia na ny Praiminisitra aza dia tsy maharaka ny hazakazaky ny filohan’ny Repoblika satria tsy afaka manery ireo mpikambana ao amin’ny governemantany hanatanteraka ny asa hifanaraka amin’ny hafainganam-pandehan’ny filoha. Ny parlemantera indray no teren’ny Praiminisitra sy hanaovany fandihadiana izay ny mifamadika amin’izany no mifanaraka amin’ny lalàna fototra.
Raha ny tranga etsy sy eroa dia toa misy mahery mihazakazaka noho ny filohan’ny Repoblika na mety mitovy hafainganam-pandeha aminy dia ireo mahatafavoaka volamena sy vato sarobidy any ivelany any. Ny tena manahirana dia tsy asian’ny filoha sy ny mpitondra tenin’ny governemanta mihitsy ny momba ireny kanefa ireny no tena mambotry ny Firenena sy mampahantra ny mpiray Tanindrazana. Torak’izany koa ny tsy fandriampahalemana satria toa mahery mihazakazaka noho ny filohan’ny Repoblika sy ny ao amin’ny governemanta ireo dahalo sy mpanao ratsy sy mpamono olona ary mpamaky trano. Araka izany ankalazaina ho “tompondaka” ny filohan’ny Repoblika sy ireo minisitra maharaka azy amin’izay tiany hatao, na tsy tanteraka aza ny ankabeazany, dia miady vodilaharana ity Nosy mpanakarena ity eo amin’ny sehatra rehetra.