Jean Nirina Rafanomezantsoa – Malagasy ny fitsaboana nentim-paharazana fa tsy internationale

Helisoa

Nitafa tamin’ny mpanao gazety tao amin’ny foiben-toeran’ny FITRAMA, tao amin’ny 67 ha ny filoha tale jeneraly ny FITRAMA, Jean Nirina Rafanomezantsoa ny faran’ny herinandro teo. Nambarany tamin’izany, fa manana ny toerana maha izy azy ny fitsaboana nentim-paharazana eto amin’ny firenena ankehitriny. Betsaka no efa nahazo tombontsoa sitrana tamin’ny alalan’izany, ka sarotiny izahay hoy Jean Nirina Rafanomezantsoa, satria tsy natao hisolokiana fa natao hanome fahasalamana ho an’ny mpiara-belona. Tokony ho entina amin’ny sehatra ambony eto amin’ny firenena hoy izy, ka hanaraka ny didy aman-dalàna sy ny fitsipika misy. Misy rafitra lehibe mifehy ny fampiroboroboana mpitsabo nentim-paharazana dia ny MTN izany. Mahitsy aho miteny hoy izy, fa ny mpitsabo nentim-paharazana Malagasy dia tsy mety ho mpitsabo internationale izany.

Manoloana izany indrindra dia hamerina sy hampianatra ary hampiditra mpiasa vaovao, mikasika ny fitsaboana nentim-paharazana izahay eto amin’ny FITRAMA, satria marobe ireo fangatahana manerana an’i Madagasikara. Io dia eo amin’ny 2 volana ka hatramin’ny 3 volana, no hanao ny fiofanana, ka tanora 18 taona no ho miakatra tsy manambady manana toe-tsaina tia tanindrazana sy vonona hampiroborobo ny fitsaboana nentim-paharazana, no miditra amin’izany. Fanandratana ny maha Malagasy no nataonay teto amin’ny Fitrama hoy ny filoha tale jeneraly, Jean Nirina Rafanomezantsoa, ka izay no mahatonga anay hanao fizaham-pahasalamana maimaimpoana: consultation gratuite isaky ny sabotsy sy alahady, ahafahana ma-nampy ny mpiara-belona. Tsy misy hery miafina ny fitsaboana eto amin’ny FITRAMA, na mazia fa fitsaboana amin’ny alalan’ny hotra, zavamaniry ary sakafo. Ireo zavatra ireo no natiora ahafahana mitsabo ny olona iray. Mikasika izay dia tsy maintsy hatrehina ny tontolo iainana, satria miankina amin’ny tontolon’ny natiora toy ny rivotra, ny masoandro ary ny zavaboahary, izay fanafody fitsaboana sy ilain’ny vatan’ny olombelona.

Ireo olona omena fiofanana dia tsy voatery hiasa amin’ny FITRAMA hoy Jean Nirina, fa afaka ampia-saina tsara ho an’ny mpiara-belona aminy ny fiofanana sy fampianarana omena azy.