Andry Tsiavalona
Tsy araka ny nanampoizana azy araka ny tokony ho izy ny fanovàna ny mpikambana ao amin’ny governemanta Ntsay Christian, satria efa tratry ny fitsipaham-pitokisana napetraky ny solombavambahoaka dimy ambizato ary natsangana tamin’ny fotoana tsy naha teto an-tanindrazana ny filohan’ny Repoblika. Tsy misy mahafantatra na efa nifanarahan’izy mirahalahy izao tranga izao na tena afaka manao rano dikain’ny zina ny Praiminisitra, satria manana ny olona ao an-damosiny manohana azy ary tsy voafehin’ny filohan’ny Repoblika.
Raha ny lalàna velona no jerena dia tsy « nitsefotra » araka ny lazaina ombieny ombieny ilay fitsipaham-pitokisana, satria azo lazaina fa vain’afo eo ambony lohan’ny fitondrana izy iny. Niaraha-nahita fa na ireo depiote voafidy tamin’ny anaran’ny IRD aza dia tsy afa-po tamin’ny fanoloana ireo minisitra valo nesorina satria misy hafa izay tsy nahavita ny asany sy tsy naharaka ny hazakazaky ny filohan’ny Repoblika hono, sady nanitsaka ny andraikitry ny hafa ihany koa. Tsy takona hafenina ihany koa fa misy amin’ireo nesorina tamin’ny toerany dia fampandriana hadrisa ataon’ny mpitondra fotsiny ihany, ka anisan’izany ny minisitry ny Angôvo sy Akoran’Afo izay anisan’ireo mpanohana mahafatra-po ny filohan’ny Repoblika Rajoelina ary nampanantena ny fanafoanana ny delestazy.
Raha ny resaka Jirama no antony nanesorana azy dia inona moa ny tena manavanana sy faripahaizan’ny tale jeneralin’ny SPM sady filohan’ny Filankevi-pitantanan’ny Jirama notendrena ho minisitra, satria sehatra samy hafa tsy misy ifandraisany ireo. Ny tena manahirana dia hanaovana tolobarotra iraisam-pirenena sy eto an-toerana (appel d’offre international sy national) hono ny Jirama araka ny kabarin’ny minisitra vaovao, ka hialan’ny fanjakana ve izany ity orinasam-pirenena ity, fa omena ny mpandraharaha tsy miankina, toy ny Telma izay lasan’ny karana? Tsy nosoloina ny minisitry ny Tontolo Iainana kanefa dia maro ireo ala eo anivon’ny valan-javaboahary arovana no may kilan’ny afo ary tapimaso sy vonjy tavanandro ihany ny fambolen-kazo nataon’ny fitondrana farany teo, satria tany amin’ireny valan-javaboary rotiky ny afo ireny no tokony nanaovana izany. Tsy andraikitry ny filohan’ny Repoblika ny manao asa sosialy sy mizara vary masaka, satria fara-faharatsiny dia misy minisitera afaka miandraikitra izany.
Araka izany dia nisy ve ny tombana nataon’ny mpitondra nentina nitazonana na nanesorana ny minisitra rehetra nialohan’ny nandraisana fanapahan-kevitra. Heverina kosa fa tena hadisoana mihoapampana no nataon’ny minisitry ny Fitsarana teo aloha tamin’ny nanapahany ny karaman’ireo mpiraki-draharaha nitokona, satria zon’ny mpiasa na amin’ny sehatra miankina na tsy miankina amin’ny fanjakana ny mitokona rehefa misy toe-draharaha tsy mifanaraka amin’ny lalàna mifehy ny asa, na misy zo tokony sitrahana nefa tsy omena ny mpiasa. Araka izany dia azo ekena ny nanesorana ity minisitra ity, saingy manana ny fahaiza-manao sy traikefa takian’ny andraikitra hapetraka aminy ve ny minisitra vaovao sa misy antony hafa nisafidianana azy.
Nahagaga kosa ny nanesorana ny jeneraly minisitry ny Firaovam-pirenena sady minisitry ny Raharaham-bahiny mpisolo toerana azy, kanefa raha nisy mpiaro an-dRajoelina Andry, tsy ny andrim-panjakana no narovany fa ny olona, filohan’ny andrim-panjakana. Ambonin’izany dia ity jeneraly ity no nanao sonia tany Moscou ny fifanarahana ara-tafika tamin’ny Rosiana ary heverina, fa izay no anisan’ny nanendrena azy ho minisitry ny Raharaham-bahiny, mba nampisehoana fa tsy nifanaraka amin’ny làlantsain’ny fitondrana Rajoelina Andry ny nanameloka ny Rosiana amin’ny fananihambohitra ataony any Ukraine.
Araka ireo minisitera notsongaina ireo dia maizina tanteraka ny antony sy ny fepetra nisafidianana ary ny tanjona tamin’ny fanendrena sy fanesorana ireo minisitra ireo. Na izany na tsy izany dia azo inoana fa tsy hampivoatra sy tsy hampandroso ary tsy hanafaka ity Firenena ity amin’ireo loza sy krizy iainana nandritra izay efatra taona izay ny fanoloana minisitra valo amin’ireo telopolo. Fihetsika (parade) entina mamono lolo ny mpifanandrina toy ny fanaon’ny « tompondaka » amin’ny haiady ihany izao ataon’ny fitondrana izao, kanefa tsy tokony ho ao an-tsaina mandrakariva fa tsy sarotra ho an’ny mpisehatra zatra ady ny manavaka izay mety mahomby sy mety handavo.
Ankoatra izany, miha-mamay hatrany ny ady anatiny ao amin’ity fitondrana Rajoelina ity, tsy faly amin’ny tsy nanesorana ny ministra Lalatiana ry depiote Rossy sy Naivo Raholdina, fantatra koa izao araka ny resaka nataon’ny jeneraly Lilyson mivoaka amin’ny tambazotran-tserasera, fa te ho sekreteram-panjakana amin’ny zandarimariam-pirenena (SEG) izy, midika izany fa vaky koa ny ady eo aminy sy ny SEG amperinasa ny jeneraly Serge Gellé.