Tsy fanajana lalampanorenana. HCDDED – Miantso ny HCC hampiato tanteraka ny filoha amin’ny asany

Niaina

Miantso ny HCC: Fitsarana Avo momba ny Lalampanorenana, hampiato tanteraka ny filohampirenena amin’ny asany ny HCDDED, na ny Filan-kevitra ambony miaro ny Demokrasia sy ny Fanjakana Tan-dalàna.

Efa nalefan’ny teo anivon’ny HCDDED na ny Haut Conseil pour la Défense de la Démocratie et de l’Etat de Droit eny anivon’ny Fitsarana Avo momba ny lalàm-panorenana na ny HCC, ilay taratasy fangataham-panazavana nataon’ireo Solombavambahoaka miisa 23, noho ny fijabahan’ny Filohan’ny Repoblika amin’ny raharaha eo anivon’ny Antenimierampirenena, mahakasika ny fitsipaham-pitokisana ny governemanta ny volana desambra lasa teo.

Miteraka olana eto amintsika hoy ny HCDDED ny fitsabahana andraikitra tahaka ireny, ka tokony haato tanteraka amin’ny asany ny filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina, noho ny fanitsakitsahany ny lalampanorenana, izay voalaza ao amin’ny lalampanorenana izany, ao amin’ny andininy faha-49, ka tokony hosaziana ny filohampirenena, amin’ny fampiatoana azy tanteraka amin’ny asany. Ny andininy faha-118 ao amin’ny lalàna fototra, no ahafahan’ny HCDDED manao izao fitoriana any amin’ny HCC izao, araka ny nambaran’izy ireo.