Andry Tsiavalona
Mivadika ambony ambany ny toe-draharaha eo amin’ny sehatra rehetra amin’izao fotoana izao, izay heverin’ny an-daniny ho fitsinjovana ny mpiray firenena eo amin’ny sehatra sosialy sy ara-pivelomana dia tsy eken’ny an-kilany, satria famotehana ny seha-pihariana sy ny tontolo iainana. Ny fanokafana ny “Base Toliara” no tiana ho lazaina ary ny zava-doza dia miteraka lonilony sy fifanandrinana eo amin’ny foko roa miara-monina any an-toerana ireo làlantsaina roa ireo.
Ny zava-misy mifandrirotra dia ny manampahefana any an-toerana dia mihevitra, fa hiteraka asa ho an’ireo gasy, avy any amin’ny Faritra Androy, mifindra monina ao an-tampon-tanànan’i Toliara dia hahazo asa ao amin’ity orinasa ity. Nomarihan’ireo manampahefana, fa lasa mpivarotra amoron-dàlana fotsiny ireo mpifindra monina satria tsy mahita asa. Etsy an-kilany kosa ireo tena mponina hatramin’izay manodidina ity “Base Toliara” ity dia efa niaina ny voka-dratsin’ny fitrandrahana fasimainty, tamin’ny fotoan’andro, izay mamotika ny tontolo iainana sy manimba ny toe-pahasalaman’ny vahoaka. Raha tena mihevitra sy mitsinjo ny fampivoarana ny fiainan’ny vahoaka ny manampahefana any Toliara dia hanao izay hampihodinana indray ireo orinasa nanana ny naha izy azy fahiny: SNHU, SUMATEX, TOLY, sns,… Raha izay tokoa no hataon’ny fitondrana dia tena handroso sy hahita asa daholo izay mifindra-monina sy ny efa ao an-toerana. Ny tena zava-doza mantsy dia miteraka fifanandrinana sy fifampihantsiana eo amin’ny mpiray Tanindrazana ny fiziriziriana amin’ny fanokafana indray ny “Base Toliara”. Ny lafiny miabo ihany koa, eo amin’ny famerenana ireo orinasa voatanisa etsy ambony hamokatra indray dia hiverina ny fambolena kapika sy hasy izay niroborobo tokoa, ary ny orinasa farany, hanamboatra fitaovana hoentina mamboly.
Raha ny kabarin’ny filohan’ny Antenimierampirenena Razanamahasoa Christine, nandritra ny fifampiharahabana nahatratra ny taona 2023 ny Fikambanan’ny Zank’i Fianarantsoa dia mahatsiaro ho maty antoka izy ireo, ka nitaky ny hanomezana minisitera folo sy ny toeran’ny Praiminisitra ho an’ny zanaky ny Faritany. Tsapan’ny zanak’i Fianarantsoa ihany koa izany, fa niasa jamba rafozana ihany izy ireo satria tsy azony ekena ny fanimbazimbana ny filohan’ny fikambanan’izy ireo nataon’ny filohan’ny Repoblika taorian’ny fitsipaham-pitokisana nataon’ny solombavambahoaka dimy ambizato. Nitsabaka lalina tamin’ity raharaha ity ihany koa ny mpanolotsaina manokan’ny filohan’ny Repoblika, ka nanebaka ny Filohan’ny Antenimierampirenena ary nisy ireo solombavambahoaka namoaka vava, fa ho ravany ny Birao Maharitry ny Antenimiera. Tsy niandry ela dia voatsoka tsy ho talen’ny Kabinetran’ny Fiadidianan’ny Repoblika ihany koa Raharinirina Baomihavotse, izay avy any Fianarantsoa. Heverina fa fihetsika tsy voahevitra loatra izany, satria mampitombo ny disadisa tsy eo amin’ny samy manampahefana fotsiny, fa eo anivon’ny mpiray Tanindrazana mihitsy. Nahatsiaro ho tsy mba nahazo avara-patana ao amin’ny governemanta ihany koa ny solombavambahoaka iray avy any amin’ny Faritra Sofia, kanefa mba misy avara-pianarana maro ihany avy any.
Tsy mazava amin’ny Malagasy intsony hoe iza amin’ireo ao ambony ao no tena manana ny teny farany, satria raha nanameloka ny fananiham-bohitra ataon’ny Rosiana any Ukraine ny minisitry ny Raharaham-bahiny teo aloha, Randriamandranto Richard, dia voatsoaka teo amin’ny toerany satria tsy nifanarahana hono, iny fanapahankevitra iny. Ny ministry ny Raharaham-bahiny vaovao, Yvette Sylla, vao voatendry herinandro, dia nandatsabato manohana ny fialan’ny rosiana any Ukraine, ka asa raha ho voatsoka ihany koa satria nanambara ny mpanolotsaina voalohany ao amin’ny masoivohon’i Rosia eto an-toerana fa diso fanantenana tamin’iny latsabaton’i Madagasikara farany iny.
Na tiana na tsy tiana dia misy resaka “foko” mifanohitra ara-kevitra sy mifanilikilika eo amin’ny fitantanana ny Firenena ary mifampihantsy sy manao farateny eo amin’ireo tranga ireo, ka sao tsy fipoahana ara-tsosialy intsony no haterak’izany fa fipoahana mahery vaika eo anivon’ireo andrim-panjakana mihitsy. Manao fanambadiam-boalavo ireo mpitondra ka samy mikepoka izay azony, kanefa tsy maintsy mailo ny olompirenena rehetra, fa rehefa ho vaky hono ny sambo dia ny voalavo no miporitsaka voalohany.