Nisokatra indray Vontovorona – Nampiaka-peo ny Fiombonan’ny Fikambanan’ny Mpianatra

Niaina

Manoloana ny olana ao amin’ny Polyteknika Vontovorona, nampiaka-peo ny Fiombonamben’ny Fikambanan’ny Mpianatra amin’ny Oniversiten’Antananarivo, nahitana ny AESM, ny AEGM, ny AEDECOUA, ny AEDM, ny AEFLSH, ny AEIAM, ny FMPA, ny FMSA, ny SENS. Nanao fanambarana iombonana izy ireo mitsipaka ny fanakatonana ny Oniversite eny Vontovorona, mitsipaka koa ny fampakarana Codis : conseil de disciplines an’ireo mpianatra 4 voalaza fa nitarika ny hetsiky ny mpianatra, nataon’ny filohan’ny Oniversiten’Antananarivo Mamy Ravelomanana.

Ambaran’ireo fikambanana 8 ireo, fa tsy nitondra vahaolana ny fanaovana “digitalisation” napetraky ny governemanta. Vokany betsaka ny mpianatra tsy nisitraka vatsim-pianarana.
Tsy nitsahatra nitotongana ny fampianarana ambony eto Madagasikara. Manampy trotraka ny fahanteran’ny fotodrafitrasa ianarana sy onenan’ny mpianatra.

Mahatsiaro ho ataon’ny fanjakana ambanin-javatra ny mpianatra amin’ny Anjerimanontolo. Ny tahan’ny tsy fananan’asa efa manginy fotsiny, mitana laharana voalohany amin’izany ny mpianatra mivoaka amin’ny Oniversitem-pankakana. Vao manao fihetsiketsehana kely ny mpianatra dia miala any ny fandrahonana arahin’ny teritery. Lasa fitaovam-pamoretan’ny mpitondra koa hoy izy ireo, ny Filankevi-pitsipiky ny Oniversite, CODIS (Conseil de Disciplines), ka toherin’izy ireo izany.

Ankoatra izay dia manameloka ny fanakorontanana ny ESPA (École Supérieure Polytechnique d’Antananarivo) ny Fivondronan’ny Fikambanan’ny Mpianatra amin’ny Oniversiten’Antananarivo).

Tsy mikatona indray Vontovorona

Mahakasika ity raharaha ity nanambara ny ministry ny fampianarana ambony Assoumacou Beatrice, fa tsy mikatona indray Vontovorona, afaka miverina mipetraka ao ireo mpianatra. Misy fifanipahana izany eo amin’ny Oniversiten’Antananarivo sy ny ministera, izay ilay tsy fahaiza-mitantana misy ao anivon’izao fitondrana Rajoelina izao.

Nilaza ny ministra, fa afaka mipetraka ankalalahana eny amin’ny trano fonenany eny Vontovorona ny mpianatra. Ny minisitera sy ny CROUA no tompon’andraikitra voalohany amin’ny fanesorana ny mpianatra, na tsia amin’ny trano fonenany. Tsy nisy ny taratasy avy amin’ny minisitera na avy amin’ny CROUA manala ny mpianatra eny amin’ireo trano fonenany ireo hoy izy. Ankoatra izay dia tsy manara-dalàna hoy izy ny fanakatonana ny sekoly fampianarana ambony eny Vontovorona. Fanapahan-kevitr’olona tokana ary tsy nandalo teo anivon’ny filankevi-pitantanan’ny Oniversite ny naoty nivoaka afak’omaly ary nahabe resaka.

Ankoatra ny ady eo amin’ny mpianatra sy ny tompon’andraikitra, vaky koa izany ny ady eo amin’ny ministeran’ny fampianarana ambony, sy ny Oniversiten’Antananarivo. Tantara mitohy.