Andry Tsiavalona
Tsy mahay na tsy manana tetikady matipaika entina miady amin’ny tsy fandriampahalemana, sy ny famoahana antsokosoko sy fanaovana tantely afa-drakotra ny harem-pirenena ary ny famaizana ireo mpandika lalàna ny ao anatin’izao fitondrana Rajoelina izao, kanefa 5 volana sisa no hipetrahany eo amin’io seza ankafiziny sy hifikirany mafy amin’ny fomba rehetra io.
Roa amin’ireo Filoham-piangonana efatra ao anatin’ny FFKM no nampita hafatra ho an’ny mpitondra sy ny kristiana tamin’ny andron’ny Paska. Ny Kardinaly dia nanipy tamin’ireo mety ho kandidà amin’ny fifidianana Filoham-pirenena, mba tsy hararaotina ho fitaovana entina hanao « bizina » izany. Ny Filohan’ny FJKM indray dia nanao kisarisary mba tsy ho mpifidy hifidy « jiolahy » toy ny nataon’ny jiosy nifidy ny jiolahy Barabasy fa tsy ny Mpamonjy Jesosy. Tsy misy afaka mandà fa « bizina » sy fandikan-dalàna no nataon’ny depiote iray nampanapaka sy nampitatitra hazo sarobidy kanefa mody fanina, fa hoe tsy fantany fa raràn’ny lalàna ny fanapahana sy fitrandrahana izany. Lazaina fa manjaka ny mpijirika (jiolahy sady mpanao bizina) ao amin’ny Minisiteran’ny Atitany momba ny famoahana pasipaoro. Tsy azo odian-tsy hita fa misy jiolahy ao amin’ny Minisiteran’ny Harena an-Kibon’ny tany matoa nivadika ho bolongam-by ny volamena 36 kilao tao anaty “coffre”. Vao omaly ny omaly indray no tratra tany Mahajanga ny vatosoa milanja 182 kilao, ka bizina ve sa fanaovana tantely afa-drakotra ny harem-pirenena itony tranga itony. Tsy fantatra intsony koa na bizina na efa mitory fa mitombo sy miha-mahazo laka hatrany ny tsy fandriampahalemana ary mety mampitombo hery ny jiolahy raha tsy tratra ny basy sy ny bala tany Toliara.
Efa tsy takona hafenina intsony fa mian-dahy, miam-bavy ary ankizy tsy ampy taona no mirotsaka amin’ny asan-jiolahy sy amin’ny fifohana zava-mahadomelina. Tra-tehaka ny ankizy kely midoroka zava-mahadomelina tany Toamasina, ary toy izany koa ny mpidaroka “bois rond” mpandalo eny amin’ny « Rocade ». Efa mampiseho fa miasa ny mpitandro filaminana matoa voasambotra ny jiolahy sy ny mpibizina, ka heverina fa any amin’ireny tranga ireny no tena anompanan’izy ireo ny heriny sy ny fahaiza-manaony, fa tsy amin’ny fanakantsakanana ny olompirenena tsy hivezivezy dia handry fahalemana ny tany.
Nanamafy ny nisian’ny « doublons » sy ny tsy fahatomombanana tamin’ny lisitry ny mpifidy ny Ceni, na dia mifanalavitra be tamin’ny nolazain’ny Filoha Lefitry ny Ceni teo aloha aza ny isany. Tsy mbola hahafahana milaza anefa izany, fa mampiverina ny fahatokisan’ny olompirenena ity Vaomiera Mahaleotena ity izany, satria tsy ny rafitra no miteraka olana fa ny mpikambana ao izay mpiandany amin’izao fitondrana izao izy rehetra.
Nihaona tamin’ny Filoha israeliana hono ny filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara, Rajoelina Andry, ka momba ny famatsian-drano, ny angôvo sy ny fambolena ary ny fampianarana no anisan’ny nifantohan’ny resaka tamin’izany. Tsy misy vahaolana hitan’ny fitondrana daholo ireo rehetra ireo amin’izao fotoana izao. Porofon’izany ny filaharana « bidons jaunes » efa aman-jatony eny amin’ny paompy, eo koa ny fahatapahan’ny rano any an-trano ho an’ireo manana izany sy ny rano maloto mivoaka amin’ny « robinets ». Ny delestazy dia mitohy tsy misy fiafarany izay misy fiantraikany amin’ny asa fivelomana ho an’izay mampiasa rianaratra. Tsy tokony ho nisy olana ny famokarana, indrindra ny vary, raha nifototra tamin’ny fanamboarana fotodrafitrasa toy ny barazy, na ny fanatsarana ireo lakandrano manondraka ny tanimbary izao fitondrana izao, fa tsy nanangana kianja tsy miteraka vokatra sy mampidi-bola ho an’ny vahoaka.
Raha ny fampianarana no asian-teny dia mikorosy fahana ny haavo lentan’ny ny fari-pahaizan’ny zaza malagasy. Manangana sekoly “manara-penitra” hono ny mpitondra kanefa ny trano fianarana any amin’ny tany lavitr’Andriana any vita amin’ny “rotsopeta” ary ny mpianatra manao ladina an-tany. Raha ny eny amin’ny ambaratonga ambony indray dia tsy voaloa ny vatsim-pianaran’ny mpianatra amam-bolana maro, ary indraindray aza tsy voaloa ihany koa ny karaman’ny mpiasa (Personnel Aministratif et financier), sy ny “heures complémentaires” ho an’ny mpampianatra. Na izany na tsy izany dia mampanantena indray ny mpitondra fa ho raisina ho mpiasam-panjakana ireo mpampianatra Fram amin’ny taona 2028.
Fangataham-bola an-kolaka indray angamba no ataon-dRajoelina Andry ary ho mirazotra amin’izany, ny hanomezana azy ny amboaran’ny “tompondaka” amin’ireo sehatra ireo. Efa sehatra roa tokoa no nanolorana azy ny amboarana tompodaka, koa raha miampy an’ireo izany dia izy no prezidà tanora indrindra aty Afrika ary ho tompondaka amin’ny sehatra maro maneran-tany, anisan’ny maha-tompon-daka azy eo amin’ny tsy fahaizana mitantana indrindra, sy ny tompon-daka amin’ny fahaiza-mandainga. Raha hisafidy ihany aleo ho tompondaka amin’ny haiady iray toy ity tovovavy Malagasy tompondaka amin’ny “judo” ity. Aleo manetritena dia misandratra ho azy eo toy izay manandran-tena, ka hidaraboka hihoso-potaka sy ho afa-baraka.