Andry Tsiavalona
Azo lazaina tsy amim-piambahambana fa efa manao tsipaky ny miala aina ny fitondrana amin’izao Repoblika faha-4 andiany faharoa, tarihan-dRajoelina Andry, izay efa eo am-pototry ny fahataperan’ny fepotoana izao. Maro be ny velirano tsy vita hatramin’ny farany na tsy mbola natomboka mihitsy. Tsy takona hafenina fa misy ireo tetikasa efa natomboky ny fitondrana teo aloha dia niantsampazana na nezahina nofafana. Manamafy ireo ny fanenjehana sy fanaovana antsojay na fampidirana am-ponja ireo izay sahy mamotsipotsitra ny zavatra tsy manjary ataon’ny fitondrana.
Etsy an-kilany anefa dia odian-tsy hita ny zava-doza mambotry firenena sy mampahantra ny mpiray tanindrazana ataon’ny mpiray petsapetsa amin’ny fitondrana. Tambatambazana kosa ireo eo anivon’ny foloalindahy, izay fantatra fa miseho eny amin’ny haino aman-jery, ka tsy manafina sy manambara am-pahibemaso ny fiarovany ny filohan’ny Repoblika ary tsy manaja intsony izany hoe: “la grande muette” izany.
Raha tsiahivina dia nisy telo ambinifolo ny “velirano” nataon’ny filohan’ny Repoblika izay tsy voafaritra tao anatin’ny IEM na ny PEM na ny Plan Marshall, fa nambara teny am-panidinana rehefa miatrika vahoaka maro. Ny tena nanaovany fampanantenana dia ny tany Ambatondrazaka, fa tsy hanainga zipo intsony ny vehivavy sy ny fanamboarana ny Làlampirenena faha-44 ary ny fanamboarana ny Kianja Rasolonjatovo ho manarampenitra, tsy nisy akony intsony ireny amin’izao fotoana izao. Raha tena fampandrosoana no nokatsahin’izao fitondrana izao dia ny fanamboarana ireo barazy samba, sy ny famerenana amin’ny laoniny ireo lakandrano tototra eny amin’ny tanimbary ao Alaotra no tokony noezahiny.
Fantatr’i Rajoelina Andry, fa efa nahazoana famatsiam-bola ny Làlampirenena faha-13, ka izay no nahasahiana nanambara, fa “tsy hanao politika intsony izy raha tsy vita ity Làlampirenena ity”. Ampahany sivifolo kilometatra mahery kely sisa no ho vitaina, azo antoka anefa fa tsy ho vita ato anatin’ny telopolo ambizato andro mahery kely izany (efa-bolana eo ho eo) satria telopolo kilometatra isam-bolana izany no tsy maintsy vita. Tsy resahina ny “rocade” izay nampiana, fa ny fiantsonan’ny fiara fitaterana mihazo ny Faritany “Fisandratana” etsy Ambohimanambola no maneho ny fahambanian-tsaina sy mitory ny fahalemen’ny mpitondra.
Mihevitra ny mpitondra milokom-boasary fa ho manana ny hery sy tanjaka ahafahany mifehy ny Malagasy izay tsy mihinana sakafo afa tsy sakafo ambany foitra sisa, ka ampihorohoroany izay sahy mamotsipotsitra sy mamoaka ny marina momba ny tsy fahombiazan’ny fitondrana eo amin’ny fitantanana ny Firenena. Eo koa ny fanampenam-bava ny mpanao gazety, ka isamborana sy fisavana ny trano sy fangalana ny fitaovam-piasan’ny orinasa toy ny an’ny “La Gazette de la Grande Ile”. Tena manahirana amin’ny raharaha toy itony koa ny momba an’i Malama sy Berija ary Rolly Mercia izay hamoronana antotan-taratasy fotsiny izao. Ny fanaparam-pahefana sy fanararaotam-pahefana ataon’ny olomboafidy na olom-boatendry ao anatin’ny fitondrana tsy misy famotorana ary na misy fangataham-panazavana ataon’ny Vondrona Iraisam-pirenana, na ny Fiarahamonim-pirenena eto an-toerana aza dia manjavona ihany ireny. Anisan’ireny ny hazo sarobidy nasain’ny depiote iray notaterina ho aty an-drenivohitra, ka ny mpamily ny fiara indray no any am-ponja.
Nanomboka tamin’ny tetezamita dia maro ireo manamboninahitra ambony nahazo kintana roa na telo na efatra ao anatin’ny fotoana fohy tsy manaja ny fepotoana ahafahana miakatra amin’izany laharam-boninahitra izany. Tato ho ato izao dia maro ireo niakatra no jeneraly kanefa tsy fantatra avy amin’ny andiany faha-firy tao amin’ny Akademia Miaramila izy ireo, satria misy ireo tao amin’ny andiany tany aloha kanefa voadingana. Nalaza maneran-tany izany “la grande muette” izany ary tena manaja izany ny tafika rehetra, saingy ny eto amin’ity Nosy ity kosa dia manao fanambarana eny amin’ny haino aman-jery matetika ny mpitari-tafika, fa miaro ny filohan’ny Repoblika ary mampitandrina izay manozongozona ny sezan’ny filoha faratampon’ny foloalindahy, izay midika fa tsy “miaro ny vahoaka sy ny fananany” intsony. Tsy mahagaga raha mandry tsy lavo loha ny vahoaka, fa miadana sy matory am-pilaminana tsy misy mpanelingelina kosa ny manampehefana rehetra. Mbola ny ankohonana no faritan’ny Malagasy ho Firenena, ka tsy mahagaga raha tsy iainany sy tsy hampihariny eo amin’ny fiainany sy ny ataony rehetra an-davanandro ny tena “Fitiava-tanindrazana”.