Haingo Paradis – Vehivavy hafa nadoboky ny fitondrana Rajoelina am-ponja koa

Ny Valosoa

Mpanao facebook nadoboky ny fitondrana Andry Rajoelina am-ponja koa izao i Haingo Paradis, izay no anarany amin’ny tambazotran-tserasera facebook. Naiditra am-ponja eny Antanimora ny sabotsy teo ity andriambavilanitra mpikirakira tambazotran-setrasera ity, sady mpiasan’ny fahasalamana. Na milaza ho mpomba ny fitondrana aza izy, masiaka amin’ny fomba fanehoan-keviny, nilaza fa manana dosie mahakasika ny ministra, sy ny talen’ny kabinetra ary ny DPS ao amin’ny ministeran’ny fahasalamana, ka izay no heverina fa nampidirana azy am-ponja izao, notorian’ireo lohandohan’ny mpisorona ao amin’ny ministeran’ny fahasalamana ireo. Raha ny fanehoan-kevitra anisan’ny navoakan’i Haingo Paradis farany:

“Mamy ny vola! tsara ny voninahitra sy ny fahefana fa misy fetra izany, aleo tsy manana raha hanaovan-dratsy ny fahefana izay nomena. Tsapako tena malahelo ianareo mahafantatra ahy manoloana ny fanosoram-potaka misy satria mandrovi-tsihy ireo io, te hanao zavatra ny Filoha fa misy amboadia manodidina azy, tsimaintsy hampahafantariko azy izany, raha izaho no hangina iza no iandrasako hiteny ? Marary efa ela ny mpiasan’ny fahasalamana, anilanareo hatrany aho ary tsy hanaiky hatramin’ny farany. Misy capture d’appel mamoafady ato amiko,vonona aho hanolotra izany amin’ny Filoham-pirenenana raha ilainy hanaporofoko, fa faikany ary Mafia izy 3 ireo: Dircab, DPS, Ministre. Mifona aho Dr Manitra Rakotoarivony satria ianao dia lasibatra foana na dia mangina sy mandefitra aza, saingy aza matahotra fa tsy tonga ho azy izao zavatra izao, fa lalana hitondran’Andriamanitra, indraindray mafy ny sedra fa tsy manova antsika tsy hifikitra amin’Andriamanitra izay inoantsika izany. Tsy miova ny tarigetra, Firenena aloha, Vahoaka aloha”.

Izao raharaha izao dia maneho indray, ny ady anatiny misy ao anivon’ny fitondrana Rajoelina ary hita fa toa tsy voafehin’ity farany intsony mihitsy.