EDITO 20 Jona – Filoha Malagasy, Frantsay – Mitady hirodana indray ny fahaleovantena 63 taona

Beharo

Nanakoako nanomboka tamin’ny herinandro lasa teo iny ny feo mafana momba ny fizakana zom-pirenena vahiny hafa an’ny filoha Andry Rajoelina, nefa mbola misahana andraikitra ambony eto Madagasikara ihany, ary efa tsy manara-dalàna intsony raha izay voasoratra ao amin’ny lalam-panorenana misy sy iainana. Porofo no efa hitan’ny mpiara-belona mizaka ny zom-pirenena Frantsay marina araka izany, ka ny voalohany tamin’izany dia ny zom-pirenena frantsay izay efa azon-dRajoelina tamin’ny taona 2014, nefa mbola nahafahany nirotsaka ho fidiana ihany tamin’ny taona 2018 iny, ary mbola zakainy hatramin’izao taom-pifidianana 2023 izao, nefa mbola te-hirotsaka ho fidiana hatrany.

Nisy koa teo amin’ny raharaham-bahiny teo aloha ohatra, ny fanendrena minisitra vahiny izay vazaha tava sy vazaha fitenenana, nefa malagasy anarana fotsiny ihany, mbola vao mandalina ny tenim-pirenena tamin’ny boky “Lala sy Noro” mihitsy aza ohatra, ka hita porofo fa manao kitoatoa ny fitantanana sy ny fahaleovantena malagasy ranoiray mihitsy, satria mbola nalaina hiara-hiasa amin’ny filoha indray taty aoriana. Ny antsoantso eny rehetra eny dia ny hoe: tokony tsy hilatsaka ho fidiana eto an-toerana mihitsy ny olona izay mizaka zom-pirenena vahiny izay, nefa dia hodian-dRajoelina tsy hita mihitsy hoy ny maro, raha izay fitsidihana in-4 efa nataony tany la Frantsa tao anatin’izay 5 taona nitondrany izay.

Tsorina ihany koa, hoy ireo mpandinika ara-politika sy mpanara-baovao maro, fa tsy latsaky ny 60%-n’ireo ao amin’ny fitondram-panjakana, no efa mizaka io zom-pirenena frantsay io, ka dia azo lazaina fa mpamitaka ny vahoaka malagasy fotsiny ihany izy ireo, mpanjanaka ny firenena an-kolaka mihitsy indray no fitazanana azy, satria na ny fananganan-tsaina, na ny fanisam-bahoaka na ny lafim-piainana samihafa dia efa marefo dia marefo tokoa, tsy mamparisika ny be sy ny maro intsony noho ny fanentanana tsy ampy, ny jadona tsy voafetra ho amin’ny fampandrosoana ity firenena, mahantra ara-bola sy toe-karena ary mipaka ara-tsaina mihitsy. Ny eo amin’ny lafiny politika moa dia efa hita ny tsindry hazo lena atao amin’ireo antoko tsy mitovy fijery amin’ny TGV sy MAPAR, fankahalana mivantana ny antoko hafa, nefa ny hevitra no tokony hifampitsarana fa tsy ny halako bika tsy tiako tarehy, no hampanjakana eto amin’ny firenena, ka rehefa midina an-dalambe ny hafa, dia tonga dia sakana mavaivay sakoroka foana hatrany no miandry azy ireny, toy ny nitranga tany Morondava manoloana ny MIHAVA tour Siteny, ny tany Antsirabe sy faritra hafa namelezana ny TIM Ravalomanana, ary ireo izay mba nataon’ny HVM ihany koa ohatra.

Ry zareo tera-tany malagasy any ampita moa, dia nangataka fanazavana marina momba io fizakan-dRajoelina zom-pirenena frantsay io, izay tsy tokony hiandraikitra zavatra eto intsony, tsy mahafantatra ny tokony hataony, manao asa tandrevaka foana raha jerena, tsy mifanaraka amin’ny lalàmpanorenana, fa dia izay tiany ihany no aderadera manerana ny firenena hafa any ivelany, ary izay kely vita dia hanaovana tampi-maso amin’ny fitokanana fanao, nefa efa fitokonana avokoa manodidina izany. Tsorina hoy ny rehetra fa fanapotehana mivantana izao, ka tokony hiala tsy ho filoha intsony Rajoelina, toy ny nambaran’ny antoko PSD ohatra, satria voahitsakitsaka ny lalàna sy ny soatoavina, ka na ny talen’ny serasera teo amin’ny fiadidiana teo aloha aza niteny, fa mba hiteny amin’ny filoha izy hanova ny fomba fiasa sy fijery mihitsy ihany koa raha mbola hamikitra seza eo indray.