Frantsay ny Filoha. APM – Mangataka latsa-bato fanalana an-dRajoelina eny Tsimbazaza

Nangonin’i Stefa

Noho ny maha Frantsay ny filoha Andry Rajoelina, mangataka latsa-bato ho fanalana azy, eny amin’ny Antenimierampirenena eny Tsimbazaza ny APM : Antoko Politika Madio. Araka ny fanambarana nataon’izy ireo :

« fa an-taonany maro izahay APM no nilaza, fa mizaka zom-pirenena hafa ankoatry ny malagasy ny filohantsika. Voaporofo ankehitriny, fa mizaka ny zom-pirenena frantsay izy. Manohintohina fiandrianam-pirenena izany: famadihana tanindrazana, fandikana bevava ny lalam-panorenana, fanaovana antsirambina ny andraikitra, ka hita miharihary fa tsy mifanaraka amin’ny fisahanana ny asa maha filohan’ny Repoblika Malagasy azy. Voasoratra ao amin’ny andininy faha-131 ao amin’ny lalam-panorenana izany ary manome alalana ny Antenimieram-pirenena afaka miampanga. Koa mangataka anao izahay Ramatoa filohan’ny Antenimieram-pirenena mba:
– hiampanga ny filoha, ka hanatanteraka latsa-bato miaraka amin’ireo solombavambahoaka, ary handefa azy ho tsaraina eny amin’ny fitsarana avo (motion de déchéance). Tsy tokony ho izy intsony noho izany no hitarika ny matso, na hisafo ny andian-tafika amin’ny faha-26 jona 2023, noho ireo heloka bevava misy porofo ireo.
– hitondra fangatahana fanazavana any amin’ny fitsarana avo momba ny lalam-panorenana mikasika ny andininy faha-46 ao anatin’ny lalam-panorenana: « izay olona rehetra milatsaka ho fidiana ho filohan’ny repoblika dia tsy maintsy mizaka ny zom-pirenena malagasy ». Fanontaniana: zom-pirenena malagasy irery ihany ve? sa ireo manana zom-pirenena hafa ankoatry ny malagasy ihany koa dia afaka milatsaka?

Koa raiso, Ramatoa filoha, ny haja ambony atolotray anao ary miandry valiny amin’izay tohiny ho ataonao. mahatoky ihany koa ny feon’ny fieritreretanareo « solombavambahoaka » izahay, sy izay dingana ho ataonareo tsy ho ela. Ampiarahina amin’ity taratasy ity ireo porofo nivoaka teny amin’ny serasera : sarin’ny « passeport » sy « naturalisation », milaza fa frantsay ny filohantsika. »

Nandefasan’izy ireo dika mitovy an’ity taratasy ity : ny minisitry ny fiarovam-pirenena sy ny eny anivon’ny fitsarana avo (haute cour de justice).