Rajoelina mizaka zom-pirenena Frantsay – Misy miaramila maniry fangataham-panazavana avy amin’ny HCC

Ny Valosoa

Manoloana ny fizakan’ny filoha Andry Rajoelina ny zom-pirenena Frantsay, dia misy andiana miaramila nanambara fa mangataka fanazavana haingana amin’ny Fitsarana Avo momba ny lalampanorenana, na HCC izy ireo, mahakasika izany raharaha izany, manao fanambarana ihany koa amin’ny foloalindahy namany sy ny vahoaka:

“Ry rahalahy isany,
Foloalindahy mangataka fanazavana haingana amin’ny HCC, ary manao fanambarana amin’ny Malagasy, manoloana izao savorovoro izao.
Aza omena tsiny ny olom-pehezinareo raha mandray andraikitra, raha toa ka feno fitavozavozana ianareo voatendrin’izao fanjakana izao hitazona ny Commandement “.
Tsy fanonganam-panjaka izany, fa fandraisana andraikitra haingana manoloana ny fahambangana araka ny lalàna, sy ny tontolo, eto izay feno fisalasalana, ary mba ho famerenana ao anatin’ny lalàna ny Rafitra politika sy sivily izay natao hibaiko antsika. Milomano ao anatin’ny tsy fanarahan-dalàna ny zavatra rehefa ataontsika, satria dia voamarina ilay fiteny hoe: “Toutes les decisions prises sont nulles et non avenues”. Tena complice amin’ny tsy fanaran-dalàna isika raha tsy mandray fanampahan-kevitra hentitra sy haingana.

Satria,
Mifamahofaho ny zavamisy ary mikorontana ny sain’ny vahoaka malagasy, fa indrindra ny an’ny miaramila manokana, manoloana ity resaka fananana Zòm-pirenena hafa ity.
Ny miaramila tranainy sy ny am-perinasa, dia manana adidy ny hanazava ny sain’ny Mpiray Tanindrazana sy handray andraikitra haingana, indrindra amin’izao ankatoky ny fankalazana ny fetim-pirenena 26 jona izao, fetin’ny foloalindahy sy ny fankalazana ny niverenan’ny fahaleovantena izao. Ka raisinay ho zava-dehibe ny fandraisana ny fampahatsiahivana ny Fiandrianam-pirenena Malagasy:
– inoana,
fa n’inona n’inona haavo sy fomba nahatafiditra ho miaramila na ho polisy antsika tsirairay, dia heverina,
fa mahalala ny hasin’ny atao hoe Tanindrazany isika, fa ny firenena, ny tanindrazana, ny fiandrianam-pirenena no fototra ny asam-piarovana izay asantsika foloalindahy.

Marihina, fa ny Filoham-pirenena lehibe faratampon’ny foloalindahy, no sary voalohany no sady tandidona faran’ny fiandrianam-pirenena sy ny “intégrité Nationale”.
Ampahatsiahivina etoana koa, fa voasoratra ao amin’ny “Décret portant organisation générale de la défense nationale” eto Madagascar ireo rehetra voalaza etsy ambony ireo.
-Noho izany dia,
Tsy tokony hikimpy amin’izay mety ho tombontsoa manokana ianareo zandry eo amperin’asa, fa himbanjina ny foto-kevitra ijoroantsika, dia ny “Ho an’ny Tanindrazana”.

Marina fa mety nisy hadisoanay ny tsy nanao tahak’ireo Zoky tao amin’ny miaramila frantsay, izay sahy nanary ny zòm-pirenena frantsay, fa hanompo an’i Madagascar; ka mahatonga ireo manamboninahitra sasantsasany amin’izao hanana zòm-pirenena hafa, ary dia mbola mitazona andraikitra ambony eo anivon’ny Foloalindahy ankehitriny ihany koa.
Dia mila ampahatsiahivina antsika ve fa adidin’ny Fanjakana no miaro ny firenena? Anefa dia ny Foloalindahy no hery voalohany miaro sy mampisy ny Fanjakana eo amin’ny tany tan-dalàna. Inona ary io Lalàna arahana sy fototra io? Tsy anisan’izany ve ny “Code de Nationalité” malagasy? Ny charte des Nations Unies, izay manaiky ity firenena ity ho hisy sy hahaleotena? Ka ny Filoha no maneho izany any ivelany.

Amin’izao anefa,
Ny Fiarovana ny Tanindrazana sy firenena amin’ny fomba moderina dia: tsy ady ifanandrinana mivantana eo amin’ny miaramila na mpifahavalo irery intsony, fa miseho amin’ny endriny maro; ary koa tsy ny baiboly izay nentina nandemena ny sain’olona toa ny tany aloha intsony, fa efa mivoatra dia mivoatra; ary hita, fa afaka tsara mandresy tsy miady ny fahavalo, tsy misy rà latsaka, toy izao mitranga ankehitriny eto izao, ny firenena iray; izany ilay lazaina hoe: ” La fin (résultat) justifie les moyens”. Izany hoe:
Ny fanomezana zòm-pirenena hafa dia “moyen” fotsiny ihany, hamehezana sy hanirahana espion, mba hanao “infiltration”, hakana fahefana sy ny tsiambaratelom-piarovana, fa ny tena tanjona dia ny fametrahana maharitra ny fiankinan-doha any ivelany ny firenena sy ho fanariana eo amin’ny taranaka ny maha malagasy azy (Néo colonialisme).

Ry Rahalahy isiany, na am-perinasa na misotro ronono,
– ny sécurité, izay mifantoka amin’ny fiarovana ny Culture, ny Économie, ny tontolo iainana, ny olona sy ny fananany, dia adidy ambony tsy maintsy fantatra sy sahanina, n’inona n’inona sakana misy.
Ireo rehetra ireo no tokony harovantsika, fa tsy hijanona irery amin’ny Fiarovana ny faritr’i Madagascar (DOT) fotsiny akory.
– Tadidio, fa ny ” Intérêts Vitaux sy ny Intérêts fondammetaux de l’État malagasy” dia andraikintsika sy fototra ny asantsika (Devoirs et missions).
Ny Intérêts vitaux et fondammetaux dia: Ny fototra isian’ny Fanjakana sy ny fijoroany, mba hahaleotena sy velona eo anatrehan’izao tontolo izao, satria tsy voazanaka intsony.

Kanefa,
Eto dia ny Président ny Repoblika mihitsy no manana zòm-pirenena hafa, ary ny tena loza dia raha voamarin’ny lalàna fa niala taminy ny zò maha malagasy azy dia Voatafika sy resy izany isika, izay Loza noho ny mercenaires, toa an’i Bob Denard tao amin’ny Nosy Comores izao mahazo antsika izao.
Mafy ny Mpanafika, fa nahay niafina izy, ka ny olona mitovy zò amintsika ihany no nampiasainy handavoana antsika.
Nisy firenena hafa niray tsikombakomba tamin’izao raharaha izao.

Fehiny:
– Soa ihany anefa fa niseho sy tratra izao tranga izao,
Noho izany, dia fotoana izao hanalana ireo manana zòm-pirenena hafa eo anivon’ny Foloalindahy, araka ny voalazan’ny “Code de la Nationalité “, fa izany indrindra no tena atao hoe “Moralité” tokony hananantsika.
– Mijoroa, mahasahia, fa ny Tanindrazana no aloha sy ambony ny zavatra rehetra, izay efa namonoan’ireo razantsika ny ainy mba hiadanantsika ankehitrio, anjarantsika dimby izao no mampiseho fa azo atokisana isika, raha tsy izany, dia henatra manoloana ireo rahalahy miaramila aty Afrique sy any amin’ny firenena maro hafa ho antsika izao tranga izao. Aoka mba tsy hitanondrika manoloana ny namantsika afrikanina isika.
– Mila mazava izao resaka izao, mialoha ny 26 juin, mba hanavotana ny sainam-pirenena sy ny Foloalindahy,
– Mitandrema ianao eo amin’ny commandement (Tafika sy zandarimaria), fa sao lasa complices, fa haintsika tsara fa SAZY faratampony no miandry amin’ny famadihana ny firenena.
Atsipy ny tady …. Atsipy ny teny….”