Andry Tavalona
Telo ambienimpolo taona (1960-2023) no namerenan’ny mpanjanaka frantsay ny fahaleovantena. Zava-dehibe ho an’ny taranaka aty aoriana ny mampahatsiahy ny fiainan’ny Firenena nandritra izany fotoana lavabe izany. Roambinifolo taona (1960-1972) niaina tao anatin’ny néo-kolonialisma i Madagasikara satria mbola ny frantsay no nifehy ny sehatra politika sy ny sehatra ara-toekarena.
Na izany aza ny toedraharaha dia azo lazaina fa niaina tsy nanana olana teo amin’ny sehatra ara-tsosialy ny vahoaka Malagasy satria afaka nisitraka fitsaboana sy fanabeazana maimaimpoana teny amin’ny hopitaly sy sekolim-bahoaka ary afaka nisakafo in-telo isan’andro ny mponina rehetra. « Politikan’ny kibo » rahateo ny filamatry ny mpitondra nandritra ny Repobika I, ary saika nahavita trano na nipetraka tamin’ireny « cités en vente location » ireny ny mpiasa rehetra. Ambony dia ambony tokoa ny sandam-bola malagasy ka niaina ara-dalàna ny mponina.
Na izany na tsy izany dia nisy ireo mpianatra teny amin’reo lisea nanana ray aman-dreny sahirankirana nisitraka fanampiana ara-bola. Naresaka tokoa ny fankalazana ireo fetim-pirenena roa: 26 Jona sy 14 Oktobra, satria nisy ny kermesy teo Antanimbarinandriana sy ny lampihazo (podium) teo anoloan’ny Lapan’ny Tanàna eto Antananarivo. Ny azo nokianina tamin’izany vanim-potoana izany dia tsy nisy ny fahalalahana maneho hevitra satria na ny toriteny nandritra ny Fanompoam-pivavahana tao amin’ny Fampielezampeom-pirenena isaky ny Alahady maraina aza dia nandalo sivana avokoa. Tsy azo lavina fa nitontongana tsikelikely ny faripiainan’ny Malagasy nanomboka tamin’ny Repoblika II satria tamin’izany vanim-potoana izany no nisy ny nantsoina hoe “tsaky pop” satria nitombo ny mahantra sy mpatory an-tsena. Ny anton’izany fitotonganan’ny sandam-bola Malagasy izany dia ny nialàna tao amin’ny “Faritra Farantsa” (Zone Franc). Tamin’ny Repoblika II ihany koa no nitrangan’ny nolazaina fa fifofoana ny ain’ny Filohan’ny Repoblika, ka nitsanganan’ny Tribonaly Miaramila (Cour Martiale) izay nanameloka sy nampigadra manamboninahitra kolonely sy Jeneraly am-perinasa. Nahavita be tokoa ny Repoblika II teo amin’ny sehatry ny fanabeazana satria nanangana Oniversite tany amin’ny amin’ny Renivohitry ny Faritany dimy ny fitondrana. Na teo aza ny hetsi-bahoaka ny taona 1991 niteraka ny Repoblika III izay nanantenana fampandrosoana dia tsy nitsahatra nitotongana ny faripiainan’ny Malagasy kanefa tsy azo lavina fa nanjaka ny fahalalahana ara-politika, ka afaka naneho hevitra ny rehetra ka izay no fototry ny fampiatoana tamin’ny asany (empêchement) ny filohan’ny Repoblika, ny Profesora Zafy Albert. Tsy nampiova zavatra loatra, na teo amin’ny sehatra sosialy na teo amin’ny sehatra ara-toekarena, ny nahatafaverenan’ny Amiraly Ratsiraka Didier teo amin’ny fitondrana, taorian’ny nanonganan’ny Antenimierampirenena ny Profesora Zafy Albert.
Tsy misy afaka mandà kosa fa nisy fivoarana lehibe teto Madagasikara tao anatin’ny enin-taon’ny Repoblika III-3 nitantanan’ny Filoha Ravalomanana Marc ny Firenena. Tsy nandoavam-bola ny fanabeazana sy ny fitsaboana ka nisitraka fitaovam-pianarana ny mpianatra tany amin’ny sekoly ambaratonga voalohany ary saika tafiditra an-tsekoly ny ankizy satria “tsy maintsy” (obligatoire) ny fampidirana ny zaza. Tafakatra 7, 2% ny harinkarena faobe. Nahavita làlana iray alina kilometratra ny fitondrana na dia nolazaina aza fa “tsy azo hohanina ny làlana”. Niakatra ny vokatra ara-bary satria nomena fitaovana sy nampiana teo amin’ny lafiny rehetra ny tantsaha mpamokatra. Raha nitohy ny fitondrana tamin’izany Repoblika III-3 izany dia azo lazaina fa nandroso tokoa i Madagasikara avy tamin’ilay programa naroson-dRavalomanana Marc, ny PN2D (Programme National de Décentralisation et de Déconcentration) satria minisitera fito lehibe sy niankinan’ny fampandrosoana no namolavola izany. Nipoitra avy tao amin’ny tetezamita ny Repoblika IV andiany voalohany sy faharoa. Nisy ezaka vitan’ny andiany voalohany tamin’ny filoha Rajaonarimampianina teo amin’ny sehatra ara-toekarena satria nisy 5,4% ny harinkarena faobe raha niverina ny fifampatokisan’ny teo amin’ny fitondrana sy ireo mpiara-miombon’antoka ara-teknika sy ara-bola (PTF), kanefa betsaka ihany koa ny lesoka ka hasongadina manokana amin’izany ny delestazy.
Efa ho folo taona kosa no teo amin’ny Fitondrana Rajoelina Andry Nirina, ary nampanantena volana aman-kintana ny vahoaka Malagasy izy kanefa ao anatin’ny firenana roa mahantra maneran-tany i Madagasikara ary maherin’ny sivifolo isanjaton’ny vahoaka no mahantra. Nankalaza ny faha-teloambienim-polo taonan’ny fahaleovantenany ny Malagasy kanefa dia vazaha frantsay ny filohan’ny Repoblika, ka tsy mahagaga raha tsy nifantoka tamin’ny fampandrosoana ny Firenena sy ny fampivoarana ny fiainan’ny Malagasy ary ny fampiakarana ny toekaren’i Madagasikara Rajoelina Andry Nirina, fa mandamina izay hiantefany rehefa tsy eo aminy intsony ny fahefana. Tsy misy afaka maminany ny hitranga rahampitso kanefa tsy maintsy miomana hiatrika ny hoaviny ny Malagasy.