Stefa
Hiverina eny anivon’ny fokontany manerana ny Nosy indray ny lisi-pifidianana ny 6 jolay ho avy izao. Noho izay antony izay, mbola manentana ny rehetra amin’ny resaka lisi-pifidianana sy fifidianana ny Malagasy Collectif any dilambato:
« Olompirenena ianao, manana zo ary manana adidy ihany koa. Hanomboka ny 06 JOLAY izao àry dia miverina any amin’ny biraom-pokontany ny lisitra, ka:
- Misoratra anarana aho raha tsy mbola nanao izany.
- Manamarina ny anarako aho.
- Mametraka fitarainana aho raha tsy tafiditra izany.
- Manao fanoherana aho raha tsinontsinoavina ny zo-ko.
- Olompirenena vanona ianao, mandraisa andraikitra mba tsy ny hafa no hanao izany amin’ny toeranao, » hoy ny fanambarana.