Nangonin’Isambilo
Tsy ekena ny fampanofana ny Nosy Sakatia any amin’ny faritra Diana mandritra ny 99 taona, izay atao amlin’ny projet presidentiel, hoy ny Collectif Tany. Nandefa taratasy misokatra ho amin’Andriamatoa filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara Andry Rajoelina izy ireo mahakasika izay :
“Andriamatoa Filohan’ny Repoblika,
ambonin’ny lalàna ve ny « projet présidentiel » eo amin’ny sehatry ny fizahan-tany izay nahatonga ny fampanofana mandritry ny 99 taona ny Nosy Sakatia?
Io no fanontaniana mahitsy sady rariny apetrakay fikambanana manao sonia ity taratasy misotraka ity, izay mpiaro ny zon’ireo fokonolona voakasika sady mpiara-miombon’antoka amin’izy ireo, manoloana ny zava-misy manodidina ny fampanofana tany mandritry ny 99 taona tsy ara-dalàna nifanarahan’ny mpampiasa vola lehibe fanta-daza ao amin’ny orinasa GREEN MADA LAND sy ny manam-pahefana Malagasy, mikasika ny Nosy Sakatia ao amin’ny faritra Diana any avaratra-andrefan’i Madagasikara.
Mahafantatra tsara ireo tompon’andraikitra amin’ny fananan-tany sy ny tontolo iainana any an-toerana, fa ny mponina ao amin’ny Nosy Sakatia dia efa nahazo ny famindram-piandraiketana sy fitantanana ny loharanon-karena voajanahary ao amin’ny nosiny (bénéficiaire du transfert de gestion locale), ka noho izany dia tsy azo ampanofaina ny Nosy Sakatia.
Vao mainka tsy ara-dalàna ary mampametra-panontaniana io fampanofana tany mandritry ny 99 taona io, satria mahafantatra tsara koa ireo manam-pahefana mahefa any an-toerana, fa misy ny Arrêté N° 27 227/2019-MAHTP nivoaka tamin’ny 29 novambra 2019, izay nanafoana tanteraka io fifanarahana mikasika ny bail emphytéotique tamin’ny orinasa GREEN MADA LAND io.
Andriamatoa Filohan’ny Repoblika,
Ny « bail emphytéotique » dia mitovy amin’ny varotra, raha ny fiantraikany amin’ny Malagasy no jerena, satria ny olona monina eo amin’izao fotoana izao dia tsy afaka hiaina sy hiasa eo intsony, tsy hahazo alàlana handevina ny matiny eo intsony ary ny taranany tsy afaka handova ireo taniny ireo. Ny fampanofàna tany mandritry ny 99 taona no tena ratsy indrindra.
Tamin’ny Alarobia 24 Mey 2023 anefa dia nantsoin’ny tompon’andraiki-panjakàna samihafa ao Nosy-Be ireo fokonolona voakasika, izay mivondrona ao amin’ny fikambanana Anjava Sakatia, ary nampandrenesiny fa hafindra monina izy ireo satria efa voaloan’i GREEN MADA LAND ny hofan-tany mandritry ny 99 taona amin’ny fanjakana Malagasy, sady efa natao « enregistrement » ao amin’ny Centre fiscal ao Nosy-Be ilay « bail emphytéotique ».
Nanao fivoriana lehibe sy serasera tamin’ny haino vaky jery, mba nanehoany ny fanoherany ny fanesorana azy amin’ny taniny sy ny ahiahiny momba ny famindran-toerana azy ireo fokonolona voakasika. Rehefa nahare ny akon’izany hetsika fanoherana samihafa nataon’ny fokonolona izany ny tompon’andraikitra iray, dia nanao antso avo tamin’izy ireo indray mba tsy hitabataba sy hanohitra, fa hanaiky kosa ny fanaovana raharaham-pihavanana amin’ny orinasa GREEN MADA LAND satria « projet présidentiel » no tsy maintsy hotanterahiny.
Andriamatoa Filohan’ny Repoblika,
Mino izahay fa hitanao mazava tsara noho izany fa voahitsakitsaka tanteraka ny zon’ireo fokonolona voakasika amin’ny lafiny maro:
-hatrany am-boalohany dia tsy nomena azy ireo ny zo hahafantatra sy hanapa-kevitra mikasika ity bail emphytéotique ity, izay voafaritra mazava ao anatin’ny lalàna mifehy ny fananan-tany fa tsy azo hampanofaina ny nosy;
-ny zo tsy hanaiky ny fangoronan’ny hafa ny taniny izay efa noraisiny ny andraikitra hikajy sy hampiroborobo azy.
-ary indrindra indrindra ny zony hiaro ny tanindrazany sy ny foto-pivelomany.
Izany fanitsakitsahana ny zon’olombelona izany dia vokatry ny tsy fanarahan-dalàna sy ny hatevenan’ny manjavozavo izay manjaka eo amin’ny fampiasam-bola ao amin’ny sehatry ny fananan-tany amin’izao fotoana izao, anisan’izany ity « projet présidentiel » ao Sakatia ity.
Manao antso avo aminao izahay mba tsy hamela an’io tetikasa io hiteraka fijaliana sy fandravana ny fari-piainan’ireo fokonolona voakasika, araka ny fianianana izay nataonao « fa hampiasa ny fahefana natolotra ahy ary hanokana ny heriko rehetra hiarovana sy hanamafisana ny firaisam-pirenena sy ny zon’olombelona. Mianiana aho fa hanaja sy hitandrina toy ny anakandriamaso ny Lalàm-panorenana sy ny lalàm-panjakana, hikatsaka hatrany ny soa ho an’ny Vahoaka malagasy tsy ankanavaka”
Ireo fikambanana miara-manasonia ity fanambaràna ity dia :
-mampahatsiahy hatrany fa ny Lalàm-panorenana manankery dia mampisongadina ny fanajan’i Madagasikara ny fifanarahana iraisam-pirenena momba ny zon’olombelona ara-toekarena sy ara-tsosialy ary ara-kolontsaina, ary manambara fa ny fitantanana tsara ny raharaham-pirenena dia mitaky mangarahara eo amin’ny fitantanana;
-maneho ny firaisan-kinany feno amin’ireo mpiray tanindrazana Malagasy monina ao amin’ny Nosy Sakatia, manoloana ity tetikasa ity izay miteraka adi-tsaina mafy sy loza manambana ny zony ara-toekarena sy ara-tsosialy ary ara-kolontsaina.
Manantena valin-teny mazava sy mahafapo amin’ny fanontaniana napetrakay izahay, Andriamatoa Filohan’ny Repoblika, ary manolotra anao ny haja ambony indrindra.’’