Fitorian’i Fanirisoa an-dRajoelina – Hivoaka mialohan’ny fifidianana ny didim-pitsarana hoy ny HCC

Isambilo

Momba ny nangatahan’ny filoha Andry Rajoelina ny fizakana ny zom-pirenena, nitory azy i Fanirisoa mpitsara Malagasy monina any Frantsa ankehitriny.

Ho fantatra mialohan’ny fifidianana Filoham-pirenena ny valin’ny didim-pitsarana tamin’ny fitorian’i Fanirisoa Ernaivo ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina, mahakasika io resaka raharaha fizakana ny zom-pirenena frantsay io. Fantatra izany taorian’ny tafa nataon’ny Filohan’ny HCC (Fitsarana Avo momba ny Lalampanorenana) tamin’ny mpanao gazety omaly 26 jolay.

Raha tsiahivina tokoa dia nametraka fitoriana teo anivon’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàm-panorena, izay nangataka ny tsy hampanan-kery ny firotsahan’i Andry Rajoelina kandidà Filoham-pirenena tamin’ny taona 2018 i Fanirisoa Ernaivo ny 14 jolay teo. Enga anie ka tsy hoe: azo raisina fa tsy mitombona, izany fitoriana izany hoy ny maro.