Sôh’son
Tsy tokony hangina velively na tsy horesahana ny momba ny fizakan’i Andry Rajoelina ny zom-pirenena frantsay, ny finiavany naka izany zom-pirenena vahiny izany. Mifanohitra amin’izany mihitsy aza no tokony hataon’ny olom-pirenena saropiaro amin’ny fiandrianam-pirenena malagasy, fa tokony ho resaka tsy vita io, ary tsy azo ampanginina fotsiny amin’izao, raha tsy misy ny fepetra na sazy mihàtra. Hadisoan’ireo mpanao politika, indrindra ny ao amin’ny fanoherana raha mangina momba izany izy ireo. Ny tsy fahafahan’ny olom-pirenena tsotra miteny sy maneho hevitra momba izany miharihary aza, efa sarotra sy manahirana eto tato anatin’izao fitondrana izao.
Hafahafa ary mampanahy be ihany ny hevitry ny filohan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalampanorenana na HCC ny alarobia lasa teo raha nanontanian’ny mpanao gazety momba io raharaha io izy. Toa nosarontsaronana tsy ambara firy izany ny momba ny fizakan’i Andry Rajoelina ny zom-pirenena frantsay. Zary toa misy hevitra hanakontakonana izany. Indrindra ny amin’ny fampiatoana ny fitsikerana ny Hcc amin’ny hoe resaka fangalaram-bato, fa mangarahara no ao, hoy izy. Midika koa ve ireny teniny ireny hilaza, fa ny teo aloha nodimbiasin’izy ireo tsy toy izany. Rehefa tsy madio ny teo aloha, mila milaza izany ankarihary ny ankehitriny. Raha hanamboamboatra ny momba an’i Andry Rajoelina izy ireo ankehitriny, ho sahy hikimpy anoloan’ny marina, ny rariny sy ny hitsiny indray koa toa ny tamin’ny andron’ny teo alohany ve izany? Iaraha-mahita anefa izao ny manjo ny firenena vokatr’izany fanapahan-kevitra noraisiny izany. Hatreto, tsy sahy miteny sy manazava ny momba io raharaha io ny HCC teo aloha, nefa miandry fatratra hatramin’ny ela izany ny vahoaka malagasy manontolo. Miendrika famadihan-tanindrazana (haute trahison) no nataony, ary fanaovana tsinontsinona ireo Malagasy nijaly, nandatsaka ny ainy, very fananana sy vady aman-janaka, tamin’ny raharaha 1947. Hinia hikimpy tsy hahatsiaro izany koa ve ny HCC ankehitriny?
Tsy eken’ny saina velively ny maha frantsay ny filohan’ny Repoblika na inona fanazavana roritina etsy eroa na inona. Miezaka manao izany mafy ireo miara-dia sy mpomba an-dRajoelina, sy ny fanekeny fa olon’ny frantsay ny filohan’ny Repoblika tamin’izao vanim-potoana izao no sady eo ambany fifehezan’ny mpitondra frantsay. Midika zavatra be dia be izany. Mila ho voarakitra mazava tsara ao anaty tantara ihany koa: iza avy izy ireny ho fantatry ny taranaka fara aman-dimby sy mba tsy hataony anaty kitapo iray isika miaina amin’izao vaninandro izao. Momba ity raharaha ity, soa ihany fa efa 39 andro sisa: J- 39 dia hiala ny filoha Andry Rajoelina, ka heverina fa tsy hisy vahoaka izay tena tompon’ny fahefana ho voafitany intsony amin’ny fifidianana, voafitany tamin’ny maha-Frantsay azy, sy fiarovany ny tombontsoan’ny vahiny. Tsy hisy ho voafitany intsony amin’ireo fampanantenana poakaty, izay maro no tsy vitany raha oharina amin’ny tena filan’ny vahoaka maro an’isa.