Collectif des Citoyens d’Origine Malagasy Monde – Hanaraka ny raharaha Romy Voos mivantana any Londres

Nangonin’i Stefa

Nandefa taratasy misokatra amin’ny filoha Frantsay Emmanuel Macron, ny Collectif des Citoyens Malagasy, momba ny raharaha Romy Voos izay voasambotra tany Londres:

Tao aorian’ireo fanazavana tamin’ny haino amanjery Real Tv ny 30 mey lasa teo, sy tamin’ny tambazotran-tserasera dia nampahatsiahy an’ny filoham-pirenena Frantsay sy ireo solontenan’ireo firenen-dehibe miaina izany demokrasia tena izy izany izy ireo, ny 23 aogositra 2023 teo.

Nampahatsiahivin’izy ireo ny niandohan’izao fitondrana izao, sy ireo olona voasazy tsy tokony ahazo hilatsaka noho ny accord de Cotonou. Napetrak’izy ireo ihany koa ny tokony hahamailo sy hitsanganan’ireo firenen-dehibe noho ny tsy fanajana ny tany tan-dalàna sy ny fahalalahana miteny. Marihina tokoa, fa ny fandaharana nataon’izy ireo (Collectif des Citoyens d’Origine Malgache Monde) narahana tao amin’ny Real Tv tamin’ny invité du jour ny 30 mey lasa teo tokoa no fandaharana voalohany nanjavona. Nanaraka avy eo ny an’i Ramatoa Fanirisoa, ny an’ny Solombavambahoaka Fidèle…

Araka ny vaovao nampitain’izy ireo dia efa nilaza io tranga io izy ireo ny faran’ny volana jolay teo anivon’ny tompon’andraikitra mikirakira ny fandaharana tao amin’ny Real Tv. Noheverina tokoa mantsy, fa olana ara-teknika mandalo ilay izy tamin’ny voalohany. Iarahantsika mahita sy nijery anefa, fa endrika fanakonana ny marina sy ny fahalalahana miteny ny tena antony. Sesilany tokoa ireo fandaharana, pejy isankarazany nisy nisompatra tao aorian’izay. Noho izany indrindra no nahatonga ity lahatsoratra misokatra nataon’izy ireo ity, satria sangy mihoatra ny loha ary zavadehibe loatra ho an’ny fanjakana tan-dalàna ny seho nitranga farany teo naha-voapaingotra an-dRamatoa talen’ny Kabinetran’ny filoham-pirenena Malagasy Romy Voos Andrianarisoa.

Mbola tsy voaheloka izy sy ireo namany, ka mbola ao anatin’ilay hoe voampanga ihany kanefa maro ireo lahatsoratra vahiny miresaka mikasika ny zavatra efa nataon’ny sasany amin’izy ireo tany Afrika, ka mahatonga ity raharaha ity ho iraisam-pirenena. Noho izany indrindra ary no maha zava-dehibe ity lahatsoratra misokatra nalefan’izy ireo ho an’ny fitondrana sy ny filoha Frantsay ity, satria teratany Frantsay koa ireo voarohirohy.

Tsiahivina fa amin’ny faha 8 ny volana septambra izao ny fitsarana an’ilay ramatoa tale Kabinetran’ny filoham-pirenena ity any Londres. Ho arahantsika ihany ny tohiny satria ireo Collectif des Citoyens d’Origine Malgache Monde dia hanaraka mivantana izany any an-toerana amin’io raharaha io.