EDITO 31 Aogositra – Fitondrana Rajoelina – Manana baraka ny firenena hatrany ny zavatra ataony

Sôh’son

Na dia miezaka mafy hiaro ny voninahi-pirenena aza ireo athleta malagasy ao anatin’izao Lalaon’ny Nosy izao, dia tsy mahasakana ny fisian’ny fahafaham-barakan’ny firenena izany. Miseho mantsy izany amin’ny zavatra kitoatoa noho ny tsy fanomanana tsara sy ara-potoana ity Lalao ity. Misy hatrany ny lesoka isan’andro, eny hatrany am-piandohana amin’ny fandraisana azy. Manala Baraka ny firenena mihitsy ny zavatra ataon-dry Rajoelina sy ny forongony, soa fa 09 andro: J- 09 sisa ijanonany eo amin’ny fitondrana raha mbola mihevitra ny hirotsaka hofidiana izy.

Efa fahafaham-baraka ireny athleta vahiny maka sary anoloan’ny fako miavovona ireny, ny lalana tsy vita ara-potoana, fa ao anaty andro fotoanan’ny Lalao mbola maro no tsy vita, ary ahiana aza tsy ho vita intsony mihitsy izy ireny na aorian’ny Lalao aza na dia efa nofariparitana mialoha. Dia ireny tsy voasarona tara ireny ireo kilavadavaka nokitihina maro. Efa hitan’ny vahiny ireny fako mivangongo, lalana ratsy sy simba eto an-drenivohitra, ny fahataran’ny fanadiovana ireo lakandrano lehibe toy ny an’Andriantany sy ireo hafa rakotra tsikafonkafona sy loto maro samihafa ireny, sns… Tsy azo takonana intsony ny fahantran’ity Nosy lehibe aty amin’ny Ranomasimbe Indiana ity. Hita tsotra izao, fa tsy afaka miafina sy tsy mahalala menatra intsony ny Ben’ny tanànan’Antananarivo sy ry Rajoelina, raha sahy niseho tamin’ireo solontenan’ny athleta vahiny nihaona taminy teny amin’ny Lapan’ny tanàna sy nilaza ireo tetikasa mbola hotanterahina. Ny olona mahalala ny zava-misy sy ny fomba fitantanana eto fa mody mihaino fotsiny izy. “Ny an-tratra tsy lavo…” sy ny “tokonana tsy afaka ka…”, miseho mbola hanao tetikasa goavana samihafa.

Ihomezan’olona izy, ary manahirana raha izy ihany tsy maninona, fa ny Malagasy rehetra no tafiditra ao anatin’izay. Dia efa fahafaham-baraka ny an’ny firenena, ary fanaovana tsinontsinona ny Malagasy no ahiana mafy. Soa fa eo ireo athleta malagasy, izay notsinontsinoavina sy ratsy ny fikarakarana azy ireo hatrany am-piandohana amin’ny fanomanana, ary efa am-potomoty vao mody mikoropaka sy miseho manohana azy ireo ny fitondrana. Soa fa teo izy ireo, niainga avy amin’ny herim-pony, niaro ny voninahitry ny firenena, ary isaorana azy ireo izany. Fitondrana tsy azo ianteherana eo amin’ny sehatry ny fanatanjahantena sy fitsinjovana ny tanora Malagasy ny fitondrana Rajoelina, ny miala no sahaza ho azy afaka 09 andro…