Fa nahoana no tsy sahy, nahoana no niamboho adidy
Nefa manana traikefa sady olona voafidy?
Azo sainina va re hoe tsisy ny fahavononana,
Sa nahery be ny tsindry sy karazam-pandrahonana?
Fony isika teny Ankatso, saino kely, tadidio
Fa ny olon’ny « kamiviombio » dia tsy mba tia mikiliolio.
Sa nandalo foana ihany ny anatranatra toy ireny,
Tsy mba zavatra niainana fa napetraka ho teny?
Ianao tsy « tongatonga ho azy » , anananao raha ny traikefa,
Sady inoana , tsy entim-poana ilay anarana « Mahefa ».
Ka nahoana no nilentika , tsy niseho mba hojerena,
Ianao tao amin’ny « fitantanana ary koa ny toe-karena »?
…Fa nahoana no tsy sahy, nahoana no niamboho adidy
Nefa dia nomena andraikitra lehibe sy sarobidy?
Mitenena ianao sakaiza, ambarao anay ny marina,
F’aza asian-kifonofono na koa lainga namboamboarina!
KELY (tao @ lalàm-piofanana ekonomia 1979-1984)