MIOMANKOMANA HAMPIASA HERISETRA ?

Jeneraly misotro ronono
No miketrika indray ny hampamono?
Fa voatamby sy voakolikoly
Ka hiroso amin’ny asan-devoly?

Jeneraly miseho ho maranitra
Tsy matahotra izay Andriamanitra,
Fa ny herin’ny baomba sy basy
No kendrena handemena ny gasy?

Jeneraly miseho manam-batsy
Ka mikonona ny hanao ratsy?
Tena olona mampalahelo
Fa andrasan’ny lavaky ny helo!

Jeneraly efa fantatra anarana
Fa malaza ho mpanao hasomparana?
Izany ampitso no hanaporofo
Fa tsy hankaiza ny mpanao barofo!

Jeneraly miseho ho milay,
Ompikelin’ireo frantsay?
Sy sakaizam-bazaha taratasy
Ka mikendry ny hampiady ny gasy?

..Misy fetra ny zavatra atao
Mbola hadinina izao ‘sika izao
Ka diniho ary lanjalanjao:
Baomba tsy afa-manavotra anao!

TSIMIMALO (01-10-23)