Fotsy rora miteny ny SMM – Tsy ekena ny takalon’aina politika, avoahay Rina

Ny Valosoa

Nahavelombolo ny fanambarana nataon’ny Sendikan’ny Mpitsara eto Madagasikara (SMM) mikasika ny fomba fijerin’izy ireo ny zava-misy eto amin’ny firenena. Nohamafisin’ny “Smm”, fa tsy miditra amin’ny resaka politika ny mpitsara, fa ny lafiny fampiharana ny lalàna no imasoan’izy ireo, aleo ny olana politika ho vahan’ny mpanao politika hoy ry zareo “Smm”.

Marina tsy azo lavina izany saingy, ny tokony hataon’ny “Smm” ao antsaina dia fanagadrana politika no misy eto amintsika nandritra ny nahateo amin’ny fitondrana an’Ingahy Rajoelina filoha teo aloha ary amin’izao izy efa filoha lany daty izao dia mbola misy ny famonjana vokatry ny tahotra ara-politika. Porofon’izany, efa ho herinandro mahery izao, no tazonina eny amin’ny sampandraharana misahana ny heloka bevavan’ny Zandarimaria eny Fiadanana ny Sekretera Jeneralin’ny Antoko Tiako i Madagasikara (TIM) Rina Randriamasinoro, tsy mazava ny loham-piampangana, matoa tsy miakatra fitsarana ny raharaha, dia azo antoka fa na ny mpitsara tokony hitsara azy aza, sadaikatra tsy hitany izay tokony hanamelohany azy,na ireo mpisolovava hiaro azy aza sahirantsaina satria tsy hitany izay heloka nataon’ity olona arovany, ny azo eritreretina dia kasain’ny fitondrana hatao takalon’aina politika ity tsy manantsiny ity, mba hampilefitra ireo izay mitaky ny hampiharana ny fahamarinana eto amin’ny firenena.

Aleo koa dia tsorina fa na samy eo aza ireo mpomba ny kandida 11, dia tena tsy levon’ny olon-dRajoelina ny mpomba ny Filoha Ravalomanana, zanak’i Dada avokoa ireo nosamborina tamin’ny Sabotsy teo, satria nitafy akanjo fotsy, ary ny fampanoavana nanao ny fakana ambavany no nandray fanapahankevitra nampidoboka azy ireo, tsy vitan’ny hoe nadoboka izy ireo, fa mbola voaroban’ny mpitandro filaminana koa ny vola sy ny findainy. Manoloana izany dia hodian’ny fitsarana fanina fotsiny ny fanambarana nataon’ny “Smm”, fotsy rora miteny ny “Smm”.

Mikasika ny fanambarana navoakan’ny Filohan’ny Antenimierandoholona izay baomba nipoaka ho an-dRajoelina sy ny forongony, dia ny nilazany fa tratra ny fandrahonana ho faty izy sy ny fianakaviany, dia tsy tokony hiandry fitoriana ny fitsarana fa tonga dia hiroso avy hatrany amin’ny fanadihadiana, satria lehiben’ny andrimpanjankana no nisy nikasa hifofo ny ainy, toy ny nataon-dRamatoa Mpampanoa lalàna tamin’ny “Raharaha Apollo 21”.
Matoky ny “Smm” ary manantena azy ny vahoaka malagasy tia fahamarinana, fa hijoro hatrany izy ireo ary tsy ho fotsy rora miteny, satria hita mibaribary fa manao izay tiany atao ireo saribakolin’ilay filoha lany daty, managadra olona noho ny fahosana ara-politika.