EDITO 21 Oktobra – Zandarimariam-pirenena – Ratsy toerana tanteraka eo anoloan’ny vahoaka ankehitriny

Sôh’son

« Efa tsy azo ekena intsony », « Efa tsy izy intsony », sns… mitovy amin’izany no nivoaka ny vavan’ny vahoaka teny Itaosy sy izay nahita rehetra tamin’ny fampitam-baovao tamin’ny nataon’ny zandary teny Itaosy ny Alakamisy lasa teo. Ny dikan’izany efa tena niàla tanteraka tamin’ny fomba iheveran’ny olona ny zandary tanteraka ny zava-nisy.

Tsy rariny intsony ny zavatra mamohehitra nataon’izy ireo. Hatrany amin’ny tobim-pahasalamana fototra teo amin’ny Cité Itaosy no norarafana entona lakrimôzena manempotra. Vokany, zaza sy ankizy maro no sempotra, ankoatra ireo naratra. Toe-tsaina mirefarefa tsotra izao izany, satria amin’ny Malagasy izay marary andrianina, ary hajaina ny marary sy ny toeram-pitsaboana misy azy. Tsy namakian’ireto zandary mpihetraketraka ireto anefa izany, fa ny fanenjehana ireo vahoaka mpilahatra no hany tokana ao an-dohany. Moa va tsy kely saina izany, tsy afaka hanakatra intsony ny tsy tokony hatao, fa samy Malagasy no eto.

Hafa ny ady any Moyen-Orient sy ireo firenena miady toy ny Adin’i Ukraine sy Russie, ohatra, izay tsy ankijery intsony ny sivily na sekoly na hopitaly. Any aza indraindray na tany miady tanteraka aza mbola voatsinjo ihany izany indraindray. Ny eto amintsika anefa, tsy tany miady akory, fa toy ny atao toy izany, tsy ankifidy izay tiana ho hasiana sy rarafana lakrimôzena rehetra. Fa ahoana marina ny fampianarana nomena azy ireny tany amin’ny sekolin’ny zandary tany, sy ny fandraisana ho mpianatra zandary?

Raha izao hita izao aloha, dia misy lesoka lehibe na fahabangana, mba tsy ilazana hoe tsy mahay ny mpampianatra ao amin’ireny toerana ireny. Na ihany koa misy ny fivilian-dalana tanteraka, fa niàla tamin’ilay sary sy endrika tsara nomen’ny Kolonely Richard Ratsimandrava azy tany am-pananganana azy ny ankehitriny. Ratsy toerana eo anoloan’ny vahoaka tanteraka ankehitriny izy ireo, ary efa misy aza ny mampitovy laharana azy mihitsy izao amin’ny FRS sy GMP izay nangidy hoditra tamin’ny vahoaka Malagasy. Ireo lohany sasany mihitsy no matsatso ao amin’ny zandary, ary toa mahazo vahana aty amin’ny rafitra ambany izany. Misy ny efa misotro ronono amin’izy ireo, misy ny mbola am-perinasa izay mangidy hoditra amin’ny vahoaka, manomboka amin’ny sekreteram-panjakana Serge Gellé izay anisan’ny tompon-dakan’ny fitenitenenam-poana sy ny fanaovanaovam-poana tato ho ato, ny toa fiarovany zandary manao ratsy koa toy ny trangana zandary namono olona tany Antsohihy nefa tsy misazy hatreto. Manaraka ny jeneraly misotro ronono Richard Ravalomanana, na ny jeneraly Baomba, izay tsy mahalala menatra amin’ny fanekeny ny tsy fanarahan-dalàna misy. Ny prefet izay manaotao foana koa, mamoaka didy tsy tonga volana ary tsy voaraka arak any tokony ho izy. Ny mpanapoaka lakrimôzena amin’ny tsy antony toa ny kolonely Tojo,… Tsy lavina kosa anefa, misy ihany ny tsara amin’izy ireo, sy mba mety voataiza tsara sy nandray fiofanana tamin’ny fony sy sainy tsara fa hanompo marina ny tanindrazana sy hiaro ny vahoaka malagasy. Saingy ny hitan’ny vahoaka miharihary aloha no sary miseho ankehitriny, ary fandio iray siny tsy mahaleo ny fandoto iray tandroka, ka zary lasa maloto tanana avokoa izy rehetra imason’ny olona.