21 oktobra 2023 – Antsiranana – Hetsika fanohanana ny COLLECTIF DES 11 CANDIDATS

Ny Valosoa

Nanatonsa hetsika koa anio faha-21 oktobra 2023 ny tao Antsiranana, ho firaisankina tamin’ny hetsiky ny kandidà 11 tao amin’ny Coliseum Antsonjombe.

Raha toa ka diabe miala avy eo amin’ny Lapan’ny Tanàna ka hatreo amin’ny kianjan’ny 13 mai, no nokasiana atao, dia natao tao amin’ny kianjan’ny Magro izany noho ny fanakanana nataon’ny prefe.

Tafapetraka tsara anefa ny taratasy fampahafantara roa Andro mialoha, izany hoe ny 19 oktobra. Kanjo dia noraran’ny prefe izany tamin’ny ora farany, ary “propaganda” ihany no azo atao amina toerana voafaritra, fa raha tsy izany dia tsy azo atao ny fanehoan-kevitra ankalamanjana.

Nandefitra ireto mpanohana ny hetsiky ny kandidà 11, ary nanatanteraka ny hetsika tao anaty ny kianjan’ny Magro, na dia maro aza ireo mpitandro filaminana nivezivezy an-tanàna. Nanao fanambarana ny solontenan’ireo mpanohana:

“Izahay olona eto an-tampontananan’i Diego-Suarez izay mivory mitsangana eto dia manohana tsy misy ampihambahambàna ireo kandidà 11 izay mtady sy mikaroka ny hevitra tsaratsara kokoa ho an’i Madagasikara, indrindra indrindra amin’ny fifidianana ho avy. Takianay ny hisian’ny fifidianana madio sy mangarahara, ny hialàn’ny HCC sy ny CENI ary ny fitondràna, mba hisian’ny fifidianana madio sy eken’ny rehetra, hiadanan’ny Malagasy rehetra.”