Vahoaka, Vondron’ny kandidà 11, depiote – Mitsoka eto amin’ny firenena ny rivotry ny fiovana

Sôh’son

Manana ny tiany avoaka miotrika ao am-pony ao ny vahoaka amin’ity resaka momba ny firenena ity, fa miandry fotoanany fotsiny. Ireny niseho teny Antsonjombe ireny ny santionany amin’izany. Tao anaty fotoana fohy monja, no niantsoana vahoaka dia feno hipoka Antsonjombe. Raha nomena fotoana andro iray na roa monja aza angamba dia asa ny hafenoan’iny toerana iny, tsy Antsonjombe fotsiny intsony, fa Analamahitsy mihitsy angamba no feno vahoaka. Maneho izany fa te haneho hevitra mafy sy handray fanapahan-kevitra momba ny raharaham-pirenena ny vahoaka malagasy saingy natao tamin’ny fomba rehetra izay hanagejana azy tsy ho afaka amin’izany.

Aman-taonany maromaro nandritry ny naha teo amin’ny fitondrana azy i Andry Rajoelina sy ireo mpiray petsapetsa aminy no nanao izany, ary mbola ezahiny hitothy mandraka ankehitriny izany na dia efa tsy eo amin’ny toeran’ny filoham-pirenena intsony. Mazava loatra, fa fomba fiasa maloto izany izay noraisina tamin’ny mpanjanatany frantsay sy ireo mpanao politika maloto frantsay. Tsy atao hahagaga araka izany ny misy ankehitriny satria olon’ny frantsay ihany no nitondra ny firenena tao anaty dimy taona izay, sy mbola mikasa hitondra ity firenena ity amin’ny fomba rehetra na handatsahana ràn’ny mpiray tanindrazana sy hampiadiana ny samy malagasy aza. Aseho ihany koa ny leson-dratsy rehetra amin’ny endrika fandikan-dalàna samihafa, hatrany amin’ny Lalampanorenana, sy ny maro hafa hifehezana ny vahoaka.

Ilay vahoaka efa nampahantraina lalina tadiavina mbola hiaina ao anatin’izany hatrany fa ampiresahana amin’ny resaka fampandriana adrisa hisintonana ny fony, mbamin’ny lainga sy famitahana isan-karazany izao. Tsy mendrika ny vahoaka malagasy intsony anefa izao iainany an-taonany maro izao. Mila fiovàna ny firenena, mitsoka izany rivotry ny fiovana izany eto amin’ny firenena ary ny hany lalan-tokana hahatongavana amin’izany fiovàna izany dia ny famerenana ny fahamarinana. Efa mitarika izany ny vondron’ny kandidà sy ireo solombavam-bahoaka miara-dia aminy, miaraka amin’ny vahoaka malagasy marobe. Mitohy hatrany ny tolona ho amin’izany ary tsy hifarana intsony mandrapahatratra ny tanjona.