Antoko AFIMA an’i Serge Jovial Imbeh – Manatevina ny tolon’ny vondron’ny kandidà 11 koa

Isambilo

Anisan’ny antoko politika manatevina ny tolon’ny vondron’ny kandidà 11 ihany koa amin’izao fotoana, ny avy amin’ny antoko AFIMA : Antoky ny Fivoaran’ny Malagasy an’i Serge Jovial Imbeh. Tazana nandritra ny diabe am-pilaminana nataon’ireo kandidà ny mpikatroka avy amin’izany antoko izany teny Itaosy, nandritra ny hetsika niainga teny Ampandrana omaly ihany koa. Nitondra sorabaventy, milaza ny fitakian’ny rehetra amin’izao, momba ny fifidianana koa izy ireo dia ny fitakiana ny hisian’ny fifidianana madio sy mangarahara. Nanambara ny filoha nasionalin’ny antoko, Serge Jovial Imbeh fa :’’ady sy tolona ny fanavotana tanindrazana izay taninjanaka. Mitaky fahadiovana amin’ny mialoha sy mandritra ary ao aorian’ny fifidianana ny antoko AFIMA. Izay mitambatra vato, fa izay misaraka dia fasika,’’ hoy izy. Noho izany, hanampy hatrany ny tolon’ny vondron’ny kandidà ny antoko AFIMA mandrapahatongan’ny fandresena dia ny fivalian’ireo fitakiana atao.

Marary saina

Ankoatra izany, naneho ny heviny mahakasika ny fahasahian’ny filohan’ny Antenimierampirenena Christine Razanamahasoa, sy ny filohan’ny Antenimierandoholona teo aloha Herimanana Razafimahefa mijoro koa, ny filohan’ny AFIMA, nilaza izy fa:’’mahatalanjona ny fomba fanaovana politika! Lazaina fa marary saina ny filohan’ny sénat dia nesorina. Izao indray dia lazaina fa marary saina ny Filohan’ny Antenimierampirenena (PAN)! ka kasaina haongana koa. Fa izy ity ve rehefa tsy manaraka ny zavatra tianareo hatao dia marary saina daholo ny olona ? Tsy nisy olona anisan’ny fidèle mihoatra ny PAN, fa rehefa nahatsapa izy, fa misy ny olana sady en danger ny firenena dia andraikiny ny miteny amin’ny maha filohana andrimpanjakana azy. Andrimpanjakana roa izay ianareo no nametraka azy dia rehefa tsy manaraka baiko dia ahilika, fa tsy ny tombontsoam-pirenena no jerena. Farany: ny adala dia sarotra aminy mihintsy no miteny hoe adala izy, fa ny hafa foana no lazainy fa adala,’’ hoy ihany ny fanamarihana ataon’ity mpanao politika ity, mahakasika ny raharaham-pirenena ankehitriny.