Rajoelina sy ny forongony – Mibolisatra tsikelikely mankany amin’ny hady tsy hita nohanoha

Andry Tsiavalona

Mibolisatra tsikelikely ho any amin’ny hady tsy hita nohanoha ny faharavana sy fialan’aina izao fitondran’ny Repoblika IV-2 izao, izany hoe ny fialan-dry Rajoelina sy ny forongony. Hita sy porofoin’ny hetsika ataon’ny mpitondra sisa tavela, fa arakaraky ny itsipatsipahany dia milentika tsy misy fiafarany raha tsy tonga any amin’ny fahasemporana sy tsy hahafahany miaina intsony, satria tsy avelan’ny Malagasy tia Tanindrazana hisy hirika hivoahany amin’izany intsony.

Niaraha-niaina fa vao nanomboka ny fampielezankevitra mialohan’ny fotoana dia nosakantsakanana sy nanaovana antsojay ireo kandidà nanao hetsika, ka na tsy navela niditra tany amin’ny trano nofandrihana nanaovana fanazavan-kevitra na noravana ny fivorioriana nokasaina teny an-dàlambe. Tsy fantatra intsony izay toerana azo nivoriana kanefa ireo ao amin’ny Isika Rehetra Miaraka Adala amin-dRajoelina kosa nahazo nanao izay tiany natao, sy nivory tamin’ny toerana nahafinaritra azy.

Tsy vitan’izany fa tsy tambo isaina intsony ny fandikan-dalàna nataon’i Andry Nirina Rajoelina sy ireo mpanaradia azy. Tsy ny teo anivon’ny rafitra mpanatanteraka ihany no nahitana izany, fa hatramin’ireo rafitra mikirakira ny fanomanana ny fifidianana : Hcc, Ceni ary indrindra indrindra ny rafitra mpanao lalàna. Manampy trotraka izany ny fisambotsamborana olona tsy amin’antony, ka nahatonga ny fahafahambarakan’ny herim-pamoretana tamin’ny fisamborana lehilahy nividy « choux fleur » tetsy Ambohijatovo.

Tena nanamafy ny hetsika fanoherana an’i Andry Nirina Rajoelina dia ny naneken’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana ny maha kandidà azy na dia fatam-poko fatam-pirenena aza, fa efa nanary ny zompirenena malagasy izy nanomboka ny volana novambra 2014, nivoahan’ny Didim-panjakana frantsay momba izany. Ny tsapa sy voaporofo dia hatramin’ity andrimpanjakana mpamoaka « didy tsy azo ivalozana » ity aza dia manitsakitsaka ny lalàna izay izy no arofenitr’izany, ka natolony ny governemanta ny fisoloan-toerana ny filohan’ny Repoblika ary nodiany tsy hita ny fanomezana ny toeran’ny filohan’ny Antenimierandoholona ny jeneraly misotro ronono vao notendrena tao anatin’ny fotoana fohy.

Etsy an-kilany koa dia manao ny tsy tokony hataony ny prefektioran’ny tanànan’Antananarivo, ka manao mizana tsindrin’ila eo amin’ny fanomezan-dàlana manao fihetsiketsehana, ka rehefa ny Irmar no manao hetsika dia malalaka tsy misy sakantsakana, fa rehefa ny Vondron’ny Kandidà 11 kosa dia alefa amin’ny toerana tsy mifanaraka amin’izay tadiaviny. Tsapa ihany koa fa misy andiana zandary izay tena mibibibiby toetra mihitsy eo amin’ny fanaparitahana ny hetsika ataon’ireo kandidà 11 ireo.

Noho ny fahatsapan’ny hery velona isankarazany sy ireo sendika eo anivon’ny sehatra maro samihafa ary ny fiarahamonim-pirenena, fa manjaka loatra ny fanjakana tsy tàn-dalàna dia miantso ny fikaonandoham-pirenena, ka manamafy ny antso efa nataon’ny Raimandreny ara-panahy eo anivon’ny FFKM. Na eo aza ny sakantsakana sy antsojay ataon’i Andry Nirina Rajoelina dia mitombo andro aman’alina ny manohana ny « Hetsika Fotsy » tarihan’ny Vondron’ny Kandidà 11, ka efa mahazo fahatra any amin’ny Faritra maro manerana ny Nosy. Tena nampientana ny Malagasy ny hetsika teny Antsonjombe ny sabotsy lasa teo na dia tsy ampy andro iray akory aza ny nanomanana ny kianja, kanefa dia azo lazaina fa hipoka tanteraka.

Mihevitra ny eo amin’ny fitondrana amin’izao fotoana izao, fa mbola any aminy ny fahefana sy ny hery rehetra kanefa ny hetsika ataony rehetra dia manaporofo, fa mihorohoro tanteraka izy ireo, ka mivaha daholo ny parady rehetra ary izay heveriny ho heriny no mampidaraboka azy. Tsy hisy ny fampielezankevitra ho an’ny Vondron’ny Kandidà 11 raha tsy mizotra ho amin’ny tombotsoam-pirenena sy ny Malagasy ny fifidianana ary hesorina tsy ho anisan’ny mpifaninana izay kandidà mizaka ny zom-pirenena vahiny, indrindra ny zom-pirenen’ilay firenena nanjanaka ity Firenena ity. Ho betsaka ny hipika sy hipitika amin’ireo mpanohana an-jambany izao fitondrana mivaralila izao.