Tratra ny lazon’ady – Miha-valaka ny maro amin’ireo herim-pamoretana

Ny Valosoa

Tratra ny lazon’adin’ny hetsika fotsy, tolona am-pilaminana, hita ho miha-valaka ihany ireo herim-pamoretana raha ny hita tamin’ny sabotsy teo tamin’ny ankapobeny, mahakasika ireo mpitandro filaminana maro asaina misakana ny hetsiky ny mpitolona miaraka amin’ny vondron’ny kandidà tsy hiditra eo amin’ny kianjan’ny 13 mey. Ny hita ny faran’ny herinandro teo, herim-pamoretana vitsy ambony fiara tsy mataho-dalana 4 x 4 no miezaka mandrava ireo mpitolona, fa ny maro dia hita fa manao alasafay ihany sisa satria: hita mihintsy fa vizana izy ireo, hita mihintsy fa tsy ampy torimaso izy ireo satria vao maraimbe dia efa asaina miambina ny fidirana amin’ilay kianja malaza, nefa efa hariva vao miala eo.

Hita fa efa misy tsy te handray baiko ny ankamaroany, fa matahotra sao dia ho tapaka karama. Hita fa matin’ny hanoanana izy ireo. Raha ny sabotsy teo, efa tamin’ny 3 ora tolakandro tany ho any vao tonga ny sakafo. Nikatso tanteraka ny zava-drehetra teny Analakely sy ny manodidina tamin’io andro io, ny hetsiky ny vondron’ny kandidà anefa tsy maintsy mitohy, mandra-pivalian’ireo fitakiana, na ny hisian’ny fifampidinihana ho amin’ny fifidianana madio sy mangaraharaha ary eken’ny rehetra. Ny filohan’ny Antenimierampirenena sy ny FFKM, ny vondrona iraisam-pirenena dia efa samy niantso fifampidinihana, ny fivondronamben’ny Eveka koa efa nilaza ankolaka fa ny “vonona tsy vanona ary ny vanona tsy vonona”, izay midika fa misy mbola tsy milamina amin’io zotram-pifidianana io.

Toko tapaka, vilany mitongilana, maro no mila harenina amin’ny zotram-pifidianana tokony hatao io, ka ny mety araka ny fanapahan-kevitry ny maro teny Tsimbazaza ny herinandro teo dia ny fampihantonana azy ihany aloha. Betsaka ny zavatra mbola mety hiova ato anatin’ny 48 ora mahery.