Avelao mihitsy dia ho avy ny fifidianana hahafantarana ny marina hoy ireo mpomba an’i Dada, manoloana indrindra ny hoe haroso mialoha ny fifidianana izay ho Filohampirenena. Tsy misy matahotra eto satria tsapanay fa mbola ao ampon’ny vahoakan’ Alaotra ny Filoha Marc Ravalomanana hoy izy ireo noho ny zava-bitany izay tsy nisy nahavoasongona hatramin’izao. Tsy nisy nahafantatra Kubota taty Alaotra raha tsy izy no nampianatra izany, ka nahatonga azy io ho fitaovam-pamokarana mahomby nentina nanatsarana ny vokatra rehetra. Hatrany amin’ny toerana lavitra indrindra any ambanivohitra dia samy miandry io fifidianana izay ho Filohampirenena io ho entina mamerina an’i Dada. Mihetsiketsika fatratra ihany koa ny T.I.M mitety sy manentana ny mponina mba hazoto handray anjara hifidy amin’izay fifidianana ho avy eo. Mazava ny resaka hatreto fa mbola sarotra ny handresena ny Filoha Marc Ravalomanana raha ny aty Alaotra no jerena. Hala-bato no nampihintsana ny kandidan’ny T.I.M tamin’ny fifidianana izay ho Ben’ny tanàna teo fa raha nandeha nazava dia fantatra fa izy ireo no nitàna ny ankamaroan’ny kaominina hoy ny mpanohana azy. Vonona tanteraka araka izany ireo mpomba ny Filoha Marc Ravalomanana handrombaka ny laharana voalohany amin’izay fifidianana rehetra ho avy: na Solombavambahoaka io, na Ben’ny tanàna. Marihina fa avy amin’ny antoko T.I.M no mitantana ny kaominina Ambatondrazaka renivohitra amin’izao fotoana izao.
LAHATSORATRA FARANY
TOETRANDRO ANDROANY
Antananarivo
broken clouds
13
°
C
13
°
13
°
100 %
2.6kmh
75 %
Thu
22
°
Fri
23
°
Sat
24
°
Sun
25
°
Mon
17
°
21,283
Ny Valosoa Vaovao
Tolombahoaka - Serasera sy tranonkala
HAFATRA ... TohinyFintinina
Ce contenu n’est pas disponible actuellement
Ce problème vient généralement du fait que le propriétaire ne l’a partagé qu’avec un petit groupe de personnes, a modifié qui pouvait le voir ou l’a supprimé.
View Comments
- Likes: 0
- Comments: 0
- Shares: 0
0 CommentsComment on Facebook
27/06/2024-HCC
FARATSIHO- Lany ny kandidà Ramilison Nomenjanahary.
Miarahaba anao Atoa Député.📢 FARATSIHO
🔴Lany ny kandida Ramilison Nomenjanahary na Mily. Vato 142 tamin'ny tombon'isa 2351 no foana.
🔴Resy ny kandida Lalatiana Rakotondrazafy izay nitory.
🔴 Horakoraka ny tao amin'ny HCC taorian'ny fanononana ity didy ity.
... TohinyFintinina
6 CommentsComment on Facebook
Félicitation honorable a
Arabaina Mr 👍
arabaina e,
Arabaina Mr l député
Ndryyy faly??? Misaotra n'y tompo
👏👏👏