Andilamena – 24 Okt – Fidio ny kandidà 25, Marc Ravalomanana

Ity manifesto ity no programan’asan’i dada. Voarakitra ato daholo ny zavatra ilain’ny olona rehetra eto Madagasikara. Rehefa azontsika ny fahefana dia ataontsika ny hanatanterahana azy ity.
Ny fampandrosoana ny firenena dia miankina amin’ny fisian’ny fahalalahana, fahafahana miteny, fahalalahana manao zavatra(…) Ny zavatra maika ho anareo eto Andilamena dia ny lalana. Amboarina indray ny lalana eto Madagasikara, tonga ho azy ny fandriam-pahalemana rehefa vita ny lalana. Ny nahatonga ny tsy fandriam-pahalemana manko dia satria naka ny fahefana tamin-keriny ny fitondrana teto, ireo nanongam-panjakana ireo dia nomena fitaovam-piadiana ary izay no miparitaka io. Lasa tsy mahatoky ny fitondrana intsony ny vahoaka. Noho izany dia tsy maintsy halamina ny firenena.

#FIDIO_Marc_Ravalomanana_25