Vitsy no nanangan-tsaina tamin’ny fetim-pirenena
Helisoa
Vita indray iny ny fankalazàna ny faha-58 taona nahazoan’i Madagasikara ny fahaleovantena, ny 26 jona 1960 . Tsy toy ny isantaona anefa ny fankalazàna ny fety tamin’ ny Malagasy fa , hita taratra ny fahasiranana mahazo ny maro ankehitriny. Nitaraina ireo mpivarotra akoho amam–borona sendra ny mpanao gazety fa zara raha nahalafo ireo entana namidy teny an-tsena . Teny amin’ny arabe teto an–drenivohitra, tsy mba nahitana taratra ny maha fetim-pirenena azy fa nangina ohatra ireny andro alahady ireny, ny saina mitsangana amin’ireo trano zara fa misy , nefa efa natao totoafo ny fanentanana amin’ny haino amanjery . Ny zavatra hita aloha dia hatramin’ny 2009 nisian’ny fanonganam-panjakàna teto Madagasikara notarihin’i Andry Rajoelina dia niova ny fankalazàna ny fetin’ny 26 JONA raha ny resaka fananganan-tsaina . Tsy hita intsony ny soa toavina hoe fetim-pirenena ny 26 jona , ka mila manaja izany amin’ny fananganan-tsaina ny vahoaka . Lasa ny mifanohitra amin’izany no misy satria tezitra amin’ny mpitondra ireto farany dia tsy manangan-tsaina intsony . Amin’ny herintaona toy izao angamba vao hiverina amin’ny tena fankalazàna ny fetim-pirenena ny vahoaka Malagasy rehefa filoha voafidim-bahoaka araka ny safidiny marina no mitondra an’i Madagasikara .