Edito 19 Jiona
Tsy misy firenena mandroso anaty kitoatoa
Rina Rabemananjara
Tsy tongatonga ho azy ny fandrosoan’ny firenena iray fa tsy maintsy misy ny antony mahatonga izany . Eo aloha ny tsy famelana ny gaboraraka hanjaka izay tsy afaka misaraka amin’ny fanajana ny lalàna , eo koa ny fitantanana izay tsy hanjakan’ny halatra sy ny fanodinkodinana ny harem-pirenena . Fa ankoatra izay mba hahafantaran’ny mpitondra izay lalana hitondrany ny firenena izay tantaniny dia tsy maintsy fantany ny mombamomba ny fireneny . Amin’ny fomba ahoana no hikatsahana fampandrosoana kanefa ny isan’ny mponina aza tsy fantatra , raha ny eto Madagasikara ohatra dia izao vao manao hazakazaka arahin-tosika Rafanjakana manao ny fanisana . Tsy fantatra ny isa marina ho an’ny olona mizaka ny zom-pirenena Malagasy . Mbola maro rahateo ny olona tsy manana soram-piankohonana any amin’ny faritra mitoka-monina, eny fa dia amin’ny tanàn-dehibe aza , isan’andro anefa dia misy ny zaza teraka . Dia hoy isika manao hoe : ny isan’ny mponina aza tsy fantatra ka mifototra amin’ny inona moa ny programam-pampandrosoana tiana ho tanterahana ? Io no anisan’ny tsy nampahomby ny fitantanan’ny Hvm , maika ny hahazo seza ka tsy nahagaga raha niova matetika ny Praiministra . Mba firy moa amin’izao fotoana izao ny isan’ny omby eto Madagasikara ? Azo antoka fa tsy fantatra , na ny marimarina kokoa fanahiniana tsy isaina . Vokany dia manjaka ny halatr’omby manginy fotsiny ny fanondranana omby velona mankany ivelany izay tena manapotika ny toekarem-pirenena , ny omby vavy aza efa vonoin’ny sasany kanefa dia mandeha ho azy toy ny karatr’i Naivo tsy misy bedy ! Ny mahagaga dia ny karazan’olona efa nanapotika ny firenena no mbola misisika hahazo seza . Fifidianana mamoaka ny tena safidim-bahoaka no tadiavina mba hisian’ny tena fampandrosoana . Tsy misy firenena mandroso ao anatin’ny kitoatoa. Kitoatoa ny fametrahana Governemanta , kitoatoa ny fampiharana didim-pitsarana , kitoatoa daholo !!!