Helisoa
Nandray fanapahankevitra hentitra ny kandida Marc Ravalomanana N°25 sy ny mpiara-dia aminy, mba hisian’ny fitoniana eto amin’ny firenena, rehefa avy namoaka ny voka–pifidianana vonjimaika ny avy eo anivon’ny CENI ny sabotsy lasa teo. Avy hatrany dia nisintona ny fitoriana miisa 208 napetraka teny amin’ny HCC ny talala teo ny KMMR sy ireo mpahay lalàna miaraka aminy.
Maro ny antony nanaovana izany, mba ho tombontsoam-pirenena satria raha ny lojika dia mizotra amin’ny fihodinana faharoa ny fifidianana filohampirenena raha ny nambaran’ity vaomeram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana na ny CENI ity, satria tsy nisy nahazo ny antsasamanilan’ny vaton’ny mpifidy ny kandida 36 nandray anjara tamin’ny fifidianana filohampirenena ny 7 novambra teo, raha io vokatra vonjy maika io.
Raha ho an’ny vahoaka Malagasy dia miroso amin’ny fihodinana faharoa ny mason’ny rehetra, saingy mbola miandry kosa ny tena vokatra ofisialy havoakan’ny HCC ny rehetra aorian’izay.
Amin’izao fotoana manakaiky ny famoahan’ny HCC ny voka–pifidianana ofisialy izao dia maro ny savorovoro hita etsy sy eroa miseho eto amin’ny firenena. Noho izany, tsy hanampy trotraka izany indray ny kandida Marc Ravalomanana N°25, fa avy hatrany dia nandray fanapahankevitra NANATSOAKA ny fitoriana, na maro be aza ny lesoka sy ny halabato nataon’ny kandida mpifaninana taminy, tamin’ny alalan’ny fividianana ny safin’ny mpifidy sns… Tsy ilaina intsony ny resabe sy korontana fa efa mahantra loatra ny vahoaka Malagasy, ny fifidianana marina tsy toy ny tamin’ny fihodinana voalohany izao no kinendrin’ny rehetra.